Ny faneken’ Andriamanitra amin’ny olony.

Mofonaina anio: Alahady, faha 10 Martsa 2024

Matio 3: 13-17

Matio 3,13 - 17
13 Ary tamin'izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron'i Jordana, dia nanatona an'i Jaona Izy mba hataony batisa. 14 Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko? 15 Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy. 16 Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin'ny rano niaraka tamin'izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. 17 Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.

Ny faneken’ Andriamanitra amin’ny olony.

1. Dia ny handraisana sy henekena an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy (and 17)

Nilaza i Jaona tamin’izany, kanefa nampiasain’ Andriamanitra mba hanao batisa an’i Jesoa ary avy eo izy niteny fa i Jesoa Kristy dia zanany sady sitrany tokoa. Ka ny olona izay manatona an’i Jaona dia tokony handray an’i Jesoa Kristy ihany koa: ho Tompony sy Mpamonjy satria io no zanany izay sitrany. Ry Havana, fanekena tamin’ny nanokanana antsika ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo izany.

2. Dia ny hanekena ny sitrapon’i Jesoa Kristy (and 15)

Azo lazaina fa marina ny tenin’i Jaona satria izy kely no tokony hataon’i Jesoa, izay efa lehibe, batisa. Kanefa moa niteny an’i Jaona Izy fa mba hanaiky ihany ny sitrapony mba hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Misy fotoana koa isika ry havana, asain’i Jesoa manaiky ny sitrapony aloha, na dia mampametram-panontaniana aza izany, mba ho tanteraka ny fahamarinana rehetra araka ny Teniny ao amin’ny Jao. 17 :17 « Manamasina anay amin’ny fahamarinana, fa ny Teninao no fahamarinana ». Ekeo na dia hafahafa aza!

Fanontaniana

Mora foana sa sarotra foana … sa …mora fa sarotra indraindray ny manaraka ny sitrapon’i Jesoa Kristy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe