Ny fanehoana ny fiverenana amin’ Andriamanitra

Mofonaina anio: Talata, faha 31 Martsa 2020

2 TANTARA 30.1-9

2 TANTARA 30.1-9
1 [Ny nitandreman'i Hezekia sy ny vahoaka ny Paska] Ary Hezekia naniraka tany amin'ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nanoratra taratasy ho amin'ny Efraima sy ny Manase koa mba hankanesany any an-tranon'i Jehovah any Jerosalema hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. 2 Fa ny mpanjaka sy ny mpanapaka mbamin'ny fiangonana rehetra tany Jerosalema dia niara-nihevitra ny amin'ny hitandremana ny Paska amin'ny volana faharoa. 3 Nefa tsy nahatandrina azy tamin'izany andro izany izy, satria ny mpisorona tsy mbola nanamasina ny tenany loatra, ary ny olona koa tsy mbola vory tany Jerosalema. 4 Ary sitraky ny mpanjaka sy ny fiangonana rehetra izany. 5 Dia nandidy handefa teny eran'ny Isiraely rehetra hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana izy mba hankanesan'ny olona hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any Jerosalema; fa ny be sy ny maro tsy mba nitandrina azy araka ny voasoratra. 6 Dia lasa ny tsimandoa nitondra ny taratasy avy tamin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka ny didin'ny mpanjaka hoe: Ry zanak'isiraely ô, miverena amin'i Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba hiverenany ho amin'izay sisa aminareo izay tsy azon'ny tànan'ireo mpanjakan'i Asyria. 7 Aza manahaka ny rainareo sy ny rahalahinareo izay nivadika tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ka dia natolony ho figagana araka izao hitanareo izao izy. 8 Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon'ny razanareo, fa atolory an'i Jehovah ny tananareo, ka midìra ao amin'ny fitoerany masina, izay nohamasininy ho mandrakizay; ary manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra. 9 Fa raha miverina amin'i Jehovah ianareo, dia hahazo famindram-po eo anatrehan'izay nitondra azy ho babo ny rahalahinareo sy ny zanakareo, ka dia ho tafaverina amin'ity tany ity izy; fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo, ary tsy mba hiamboho anareo Izy, raha miverina aminy ianareo.

Ny fanehoana ny fiverenana amin’ Andriamanitra

Misy fandaharam-potoana hitandrina ny Paska eto araka ny voalaza eo amin’ny and 3 hoe:: »tsy mbola nahatandrina azy tamin’izany andro izany izy » ary koa ny and 5: » ary ny be sy maro tsy mba nitandrina azy araka ny voasoratra » . Mila fiomanana araka izany ny fitandremana ny Paska dia ny fanolorantena indray ho an’Andriamanitra ary misy voambolana ilazany izany eto hoe: « miverina ho amin’ny Tompo »

1-Misy asa, hetsika atao

Ambara eto fa tsy tokony hanaraka izay làlan-dratsy nalehan’ny teo aloha ny olona raha miverina ho amin’ny Tompo marina . Ny zava-misy mantsy dia nandà Azy ny olona ka lasa nanaraka tompo hafa ivavahana sy iankohofana ary na dia efa notenenina tamin’izany aza dia tsy niraharaha , fa nifidy hisaraka amin’ny Tompo hatrany , kanjo lasa babo.Eto àry dia taominy ny olona mba tsy hanamafy ny fony tahaka izany fa hanome lanja ny fitoera-masin’ny Tompo ka hivonona hanompo Azy amin’ny fo rehetra sy fotoana rehetra ary amin’izay atao rehetra.

2-Hahazoana vokatsoa izany

Tsy vitan’ny hoe: fitaomana ny olona mba hiverina amin’ny Tompo ihany no asongadina eto fa haseho mihitsy hoe: tena misy vokatsoa lehibe ny fanatanterahan’ny olona izany . Raha hiverina ho amin’ny Tompo mantsy ny olona dia hahazo famindrmpo hatramin’ireo rehetra lasa babo mba hody any amin’ny taniny ndray .

Fanontaniana :

Misy vokatsoa ho an’ny oloa ve ny fiverenana amin’nyTompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM