Ny fandresena ny fijaliana

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 28 Aogositra 2017

Mandresy fijaliana ny vavolombelon'ny Tompo

Genesisy 45.23-27
23 Ary izao kosa no nampitondrainy ho an-drainy: borikilahy folo nitondra zava-tsoa avy tany Egypta, sy borikivavy folo nitondra vary sy mofo, ary vatsy ho an'ny rainy ho entiny eny an-dalana. 24 Dia nampandehaniny ny rahalahiny, ka lasa nandeha izy ireo; ary hoy Josefa taminy: Aza mifanditra eny an-dalana ianareo. 25 Dia niakatra avy tany Egypta izy ireo ka tonga tany amin'i Jakoba rainy tany amin'ny tany Kanana. 26 Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Mbola velona ihany Josefa, ary izy no mpanapaka ny tany Egypta rehetra, kanefa nangatsiaka ihany ny fon'i Jakoba, fa tsy nino azy izy. 27 Dia nolazain'izy ireo ny teny rehetra izay efa nolazain'i Josefa taminy: ary rehefa hitany ny sariety izay efa nampitondrain'i Josefa hitondrana azy, dia izay vao velona indray ny fanahin'i Jakoba rainy

1-Mila mpamonjy 

Ny   fijaliana  voalaza  ato  dia ny mosary . I Josefa no nirahin’ Andriamanitra  hitondra vahaolana  manoloana  izany . Ny fitsinjovantsika  ny ampitso  amin’ny alalan’ny tahiry no vahaolana nentiny . Tandindon’i Kristy i Josefa eto . I Kristy ,  izay nanampy  ny olona  handresy  ny  mosary tamin’ny alalan’ny fahagagana nataony  . Ao Aminy  no  misy fiainana be dia be (Jao 10.10). Miditra  an-tsehatra  amin’ny fiainana  andavanandrontsika ny Tompo: manasitrana ny aretina Izy , mamoky  ny noana ary manendry  olona  hitondra vahaolana . Misy  vokatra  amin’ny fiainantsika  andavanandro  sy ny ankehitrinintsika  ny  famonjen’ Andriamanitra ;

2-Mila fanolorantena

Rehefa voavonjy  tamin’ny alalan’i Josefa  ny  olona  dia nanolotena  ho  mpanompon’i Farao .Araka izany  , izay mahatsiaro  ny famonjen’i Kristy dia mila manolotena  ho  Azy . Izy rahateo  nilaza  fa izay manatona Azy tsy mba holaviny  mihitsy  (Jao 6.37). Ny  fitia  mifamaly  mahatsara  fihavanana . Midika fitiavantena ihany  raha toa ka nandray  fahasoavana avy  amin’ny Tompo , nefa sady tsy mahay  mankasitraka no  tsy nanolotena ho Azy .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM