Ny fandrenesana ny Tenin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alarobia, faha 10 Febroary 2021
ASAN' NY APOSTOLY 13.42-52
ASAN' NY APOSTOLY 13.42-52
42 Ary rehefa nivoaka izy, dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany amin'ny Sabata manaraka. 43 Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin'ny Jiosy sy ny proselyta izay nanompo an'Andriamanitra no nanaraka an'i Paoly sy Barnabasy, izay niteny taminy ka namporisika azy haharitra amin'ny fahasoavan'Andriamanitra. 44 Ary nony tamin'ny Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna hihaino ny tenin'Andriamanitra. 45 Nefa ny Jiosy kosa, raha nahita ny vahoaka betsaka, dia feno fialonana ka nanohitra ny teny nolazain'i Paoly, sady niteny ratsy*. [* Gr. nanao blasfemia, izahao Mat. 9.3] 46 Ary Paoly sy Barnabasy dia niteny tamin'ny fahasahiana ka nanao hoe: Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin'Andriamanitra aloha; fa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana mandrakizay, dia indro, mitodika mankany amin'ny jentilisa izahay; 47 fa izao no nandidian'ny Tompo anay: Efa nanendry Anao ho fahazavan'ny jentilisa Aho, Mba ho famonjena hatrany amin'ny faran'ny tany Hianao (Isa. 49. 6). 48 Ary rehefa nandre izany ny jentilisa, dia faly izy ka nankalaza ny tenin'Andriamanitra*; ary izay voalahatra ho amin'ny fiainana mandrakizay dia nino. [* Na: ny tenin'ny Tompo] 49 Ary ny tenin'ny Tompo dia naely eran'izany tany rehetra izany. 50 Fa ny Jiosy nampitaitra ny vehivavy manan-kaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nahatonga fanenjehana tamin'i Paoly sy Barnabasy ireny ka nandroaka azy niala tamin'ny taniny. 51 Fa izy roa lahy kosa nanintsana ny vovoka tamin'ny tongony hiampanga ireo, dia nankany Ikonioma. 52 Ary dia feno fifaliana sy ny Fanahy Masina ny mpianatra.Ny fandrenesana ny Tenin’Andriamanitra
1-Mitondra fifaliana ho fankalazana Azy
Nahaliana ny olona ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra nataon’i Paoly sy ny namany tao Pisidia . Noho ny fiangavian’ireo olona nino dia notohizana ny fampianarana tamin’ny sabata manaraka . Sokajin’olona maro tao amin’izany tanàna izany no tafavory mba hihaino ny Tenin’Andriamanitra . Feno fialonana ny Jiosy ka nanakorontana . Nahariharin’i Paoly Apostoly fa rehefa tsy mananana fahavononanana handray ny famonjena ny Jiosy dia hitodika mankany amin’ny Jentilisa ny asa fanompoana tanterahiny . Faly ny jentilisa raha nadre izany , satria tsapany fa manana anjara ao amin’ Andriamanitra izy ireo dia nankalaza an’Andriamanitra .
2-Handraisana ny fiainana mandrakizay
Namelona finoana tao anatin’ny olona , indrindra fa ny Jentilisa ny fandrenesana ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra nataon’i Paoly Apostoly . Nino izy ireo fa i Jesoa Kristy tokoa no omen’Andriamanitra ho famonjena . Tanteraka tamin’izy ireo toka ilay voalaza hoe : « izay mino no manana fiainana mandrakizay » ( Jao 6.47) . Raisin’ Andriamanitra sy omeny ny fiainana ao Aminy tokoa ny mino an’i Jesoa Kristy . Tsarovy fa ny fanekentsika hianatra sy handray ny fampianarana miainga avy amin’ny Tenin’Andriamanitra no ahafantarantsika ny fiainana izay tian’Andriamanitra omena antsika . Ny Tenin’ Andriamanitra no mamelona ny finoana .
Fanontaniana :
Efa azonao ve ny fiainana mandrakizay ? Ampahafantaro ny namanao izay tena fiainana izany .
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM