Ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo

Mofonaina anio: Zoma, faha 08 Oktobra 2021

1 KORINTIANA 11.23-34

1 KORINTIANA 11.23-34
23 Fa izaho efa nandray tamin'ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin'iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo, 24 ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako* ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. [* Ampio hoe: [izay vakina] 25 Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin'ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro ianareo. 26 Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin'ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo ianareo mandra-pihaviny. 27 Koa na zovy an zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin'ny kapoaky ny Tompo amin'ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin'ny tena sy ny ran'ny Tompo izy. 28 Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin'ny kapoaka. 29 Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an'ny tenany, raha tsy mamantatra ny tena izy. 30 Noho izany dia betsaka no marary sy marofy eo aminareo, ary maro ihany no efa nodi-mandry. 31 Fa raha mba mamantatra ny tenantsika isika, dia tsy mba hotsaraina. 32 Fa raha tsaraina isika, dia faizan'ny Tompo mba tsy hohelohina miaraka amin'izao tontolo izao. 33 Koa raha miangona hihinana ianareo, ry rahalahy, dia mifampiandrasa*. [* Na: mifampizarà] 34 Ary raha misy olona noana, aoka izy hihinana no an-tranony, mba tsy hiangonanareo ho fahamelohana. Ary ny zavatra sisa dia halahatro, rehefa tonga aho.

Ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo

1-Mitaky fandinihan-tena

« Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany , dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin’ny kapoaka » (and28)

Nananatra ny kristiana tao Korinto iPaoly Apostoly satria raha nihinana ny Fanasan’ny Tompo izy ireo dia nihevitra izany ho toy ny mihinana ny sakafo any an-tranony ihany. Tsy voahaja ny fahamasinan’ny Fanasan’ny Tompo . Ary izany no nahatonga azy nitaona azy ireo handini-tena mialohan’ny handraisana ny Fanasan’ny Tompo . Koa mitaky fandinihantenan’ny tsirairay , na manao ny sitrapon’Andriamanitra na tsia ny fahamasinan’ny tena sy ny Ran’i Jesoa Kristy. Tsy mitovy amin’ny sakafo rehetra io fa famantarana ny fandraisana an’i Jesoa Kristy ilay nijaly sy maty ho famonjena antsika.

2-Mitaky fiombonana

« Koa raha miangona hihinana ianareo ry rahalahy dia mifampiandrasa » (and33)

Tsy voahaja ihany koa ny fiombonana tamin’ny fandraisana ny tena sy ny Ran’i Kristy tao amin’ny Fiangonana tany Korinto. Samy nihevitra izany ho toy ny sakafo ho azy manokana ny tsirairay. Nofoanan’izy ireo tao an-tsainy ny fiheverana fa ny tena sy ny Ran’i Kristy izay raisina dia mahatonga azy ireo ho tena iray . Koa ny mpino kristiana izay mandray ny tenan’i Kristy , izay aseho amin’ny alalan’ny mofo , raisina eo amin’ny Fanasan’ny Tompo, dia maneho ny fiombonana amin’ny samy kristiana aloha izay vao fiombonana amin’ny tenan’i Kristy ihany koa.

Fanontaniana :

Inona avy ireo sakana tsy mampionona ny samy kristiana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM