Ny fanasan’ny Tompo, vavolombelon’ny fanekena an’i Jesoa
Mofonaina anio: Alahady, faha 12 Febroary 2017
VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO
1 Korintiana 11,23 - 26
23 Fa izaho efa nandray tamin'ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin'iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo, 24 ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako* ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. [* Ampio hoe: [izay vakina] 25 Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin'ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro ianareo. 26 Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin'ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo ianareo mandra-pihaviny.VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO
1 KORINTIANA 11.23 -26
Ny Fanasan’ny Tompo ,
vavolombelon’ny fanekena an’i Jesoa
1-Ny Fanasan’ny Tompo dia baikon’ny Tompo
Tsy azo atao ny ho mpanaraka an’I Jesoa ka tsy hiroso amin’ny Fanasan’ny Tompo . Baikon’ny Tompo tsy maintsy ankatoavin’ny mino Azy izany . Fanehoana tsy fankatoavana ny fijanonana ho mpiangona tsotra tsy mety hiroso amin’izany . Ny vita Batisa tsy mety mandray ny Fanasan’ny Tompo dia endriky ny tsy fankatoavana ny fanekena nataon’ Andriamanitra izay vonona ny hitahy sy hamonjy azy , satria hoy ny Tompo :”izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy” (and25).
2-Ny Fanasan’ny Tompo dia fanekena amin’ny Ran’I Jesoa
Tao amin’ny Testamenta Taloha dia ram-biby no nasain’ Andriamanitra natao ho fanadiovana amin’ny fahotana ka novonoina ilay omby na osy ( Heb9.13-14 ) ho solon’ilay mpanota . Ny fanekena ataon’ Andriamanitra kosa dia nohavaoziny tao amin’I Kristy . I Jesoa no tondroina ho ny Zanak’ondrin’ Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao . Ny fiombonana ao amin’ny kapoaky ny Fanasan’ny Tompo dia fandraisana ho an’ny tena io fanekena ataon’ Andriamanitra ao amin’I Kristy hamela ny heloky ny mpanota tonga mpino .
Fanontaniana :
Moa mahatsiaro ny famonjena vitan’I Jesoa ve ianao rehefa mandray ny Fanasan’ny Tompo ?Ary raha tsy mbola mpandray ianao , inona no tsy mbola hanapahanao hevitra izao ?
Site web FOIBE FJKM