Ny Fanasan’ny Tompo

Mofonaina anio: Alahady, faha 10 Oktobra 2021

MATIO 26.26-29

MATIO 26.26-29
26 Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako. 27 Ary nandray kapoaka* Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity;[* Na: (ny kapoaka)] 28 fa ity no rako, dia ny amin'ny fanekena*, izay alatsaka ho an'ny maro ho famelan-keloka.[*Na: (ny fanekena vaovao)] 29 Ary lazaiko aminareo fa hatramin'izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-pihavin'ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin'ny fanjakan'ny Raiko.

Ny Fanasan’ny Tompo

1-Fanomezana avy amin’i Jesoa Kristy

« …nandray mofo i Jesoa ka nony efa nisaotra Izy dia novakiany ka natolony ny mpianatra… » (and26)

Tamin’ny nanorenan’i Jesoa Kristy ny Fanasan’ny Tompo no namakiany ny mofo tsy misy masirasira izay isan’ny sakafon’ny Paska tamin’izany . Ny famakiana ny mofo dia midika fa ny tenan’i Jesoa mihitsy no hovakiana, hopotehina amin’ny fahoriana ary amin’ny fahafatesana . Izany no natolony ny mpianany . Noho izany , ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo dia fandraisana ny fanomezana sarobidy indrindra izay natolotr’i Jesoa Kristy ho famonjena ny mpino dia ny tenany izany . Ny tenan’i Jesoa Kristy mihitsy no natolony ho fiainana ho antsika.

2-Andraisana famelankeloka

« ..fa ity no Rako dia ny amin’ny fanekena izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka « (and 28)

Tamin’ny alalan’ny fahafatesan’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana , nandatsaka ny Rany no handraisan’izay rehetra mino ny famelan-keloka. Fanekena vaovao miorina amin’ny Ran’i Jesoa Kristy ho famonjena ny mpanota . Ny tanJon’ny fandatsahan’i Jesoa Kristy ny Rany teo amin’ny hazo fijaliana dia famonjena ny mpanota. Koa ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo dia tombokase sy antoka hahazoana famelan-keloka . Misitraka ny fitiavan’i Jesoa Kristy ka nahatonga Azy hividy ny mpanota tamin’ny Rany ny mpandray ny Fanasan’ny Tompo . Koa ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo no antoka sy fahatsiarovana ny famelan-keloka.

Fanontaniana :

Ahoana ny fomba iainanao ny famelan-keloka ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM