Ny fanarenan’ Andriamanitra ny firenena voafidiny

Mofonaina anio: Zoma, faha 26 Novambra 2021
Jeremia 31,1 - 17
1 [Ny famindram-po ho an'ny firenen'Isiraely, sy ny fanekena hatao aminy] Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia ho Andriamanitry ny isam-pianakavian'ny Isiraely Aho, ary izy ho oloko. 2 Izao no lazain'i Jehovah: Hahita* fitia any an-efitra ny olona izay sisa tsy matin'ny sabatra; Handeha Aho ka hanome* fitsaharana ho an'ny Isiraely.[Na: Nahita][Na: Nandeha Aho ka nanome] 3 Tany lavitra any* no nisehoan'i Jehovah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao.[Na: Tamin'ny fahiny] 4 Mbola hanorina anao indray Aho, ka dia hiorina ianao, ry Isiraely virijina! Ary mbola hiravaka mitondra ny ampongatapakao ianao ka hivoaka amin'ny dihin'ny mifaly. 5 Mbola hanao tanim-boaloboka ao amin'ny tendrombohitr'i Samaria ianao; Ny mpamboly dia hamboly sady hihinana ny vokatra. 6 Fa mbola hisy andro hiantsoan'ny mpitazana any amin'ny tany havoan'i Efraima hoe: Mitsangana ianareo, ka andeha isika hiakatra any Ziona, Ho any amin'i Jehovah Andriamanitsika. 7 Fa izao no lazain'i Jehovah: Mihobia amin'ny fifaliana noho ny amin'i Jakoba, ary mifalia noho ny amin'ny lohan'ny firenena, torionareo, deraonareo, ka ataovy hoe: Jehovah ô, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin'ny Isiraely. 8 Indro, hitondra azy avy any amin'ny tany avaratra Aho sy hanangona azy avy any amin'ny faran'ny tany, ka dia samy ho eny aminy avokoa na ny jamba na ny mandringa, na izay manan'anaka na izay mihetsi-jaza; Irai-dia marenina no hiverina at?. 9 Amin'ny fitomaniana no hihaviany, ary amin'ny fifonany no hitondrako azy; Ary ho entiko ho eny amoron'ny renirano izy, amin'ny lalana mahitsy izay tsy hahatafintohina azy; Fa Rain'Isiraely Aho, ary Efraima no lahimatoako. 10 Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo jentilisa, ary torio any amin'ny tany amoron-tsiraka any lavitra any izany, ka atao hoe: Izay nampiely ny Isiraely no hanangona azy indray sady hitandrina azy toy ny fitandrin'ny mpiandry ondry ny ondriny. 11 Fa Jehovah efa nanavotra an'i Jakoba sy efa nanafaka azy tamin'ny tanan'ny mahery noho izy. 12 Ka dia ho avy ireny ka hihoby ao amin'ny havoan'i Ziona, dia hitanjozotra ho any amin'ny zava-tsoan'i Jehovah, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy ny zanak'ondry ary ny zanak'omby; Ary ny fanahiny ho toy ny tanimboly vonton-drano, ka tsy hihamalazo intsony. 13 Ary amin'izany dia ho faly amin'ny fandihizana ny virijina mbamin'ny zatovo sy ny antitra koa; Fa hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany, ka hampiononiko sy hampifaliko izy ho afaka alahelo. 14 Dia hovokisako zava-matavy ny fanahin'ny mpisorona, ary ny oloko ho voky ny zava-tsoako, hoy Jehovah. 15 Izao no lazain'i Jehovah: Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, ary tsy azo nampiononina izy noho ny amin'ny zanany, satria lany ritra ireny. 16 Izao no lazain'i Jehovah: Atsaharo ny fitomanianao sy ny fandatsahanao ranomaso; Fa hisy valiny tokoa ny ataonao, hoy Jehovah, ary hody avy any amin'ny tanin'ny fahavalo ireny. 17 Ary misy fanantenana ho anao any amparany, hoy Jehovah; Fa ny zaza dia hiverina ho any amin'ny taniny indray.

Ny fanarenan’ Andriamanitra ny firenena voafidiny

Ny fanarenan’ Andriamanitra ny firenena voafidiny

1-Dia mahakasika ny ara-nofo manontolo (and11)

Aorian’ny faharavana tanteraka nahazo ny firenena avaratra sy ny atsimo dia indro fa hanarina indray I Jehovah Andriamanitra . Ny tanàna rava dia omena endrika indray , ny vahoaka hahita fahafahampo amin’ny fitahiana avy amin’ny alalan’ny tany mahavokatra . Hoy ny voalaza ao amin’i Jeremia 31.17  » Ary misy fanantenana ho anao any am-parany , hoy i Jehovah ». Mbola toy izany koa aza ankehitriny , na dia rava ny fiainana na inona antony , dia mbola misy fiarenana ao amin’i Jesoa Kristy . Aza kivy ! indrindra ny ara-panahy sy ara-tsaina (and14)

2-Dia mahakasika indrindra ny ara-panahy sy ara-tsaina (and14)

Fahavoazana tsy ara-nofo ihany , fa indrindra ara-panahy sy ara-tsaina ihany koa ny fahababoana nanjo ny firenen’Israely tao avaratra . Arenin’i Jehovah ihany koa izany amin’ny alalan’ny fampodiana azy ireo hiverina ao amin’ny taniny ka ho tapitra hatreo ny latsa sy eso ary henatra . Rehefa mahakasika ny ara-panahy ny fahavoazana dia sarotra arenina tokoa. Ny hany tokana mahavita izany dia i Jesoa Kristy ,« Ilay làlana sy fahamarinana ary fiainana  » (Jao 14.6), mahay mamelona ny fanahy maty sy reraka. Isika ilay firenena voafidy ka ho antsika koa izany .

Fanontaniana :

Raha rava tanteraka ny fiainanao ankehitriny , mbola mino ve ianao fa mbola ho tafarina ihany izany any aoriana any ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM