Ny fananarana ny olona
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 28 Martsa 2020
OHABOLANA 1.20-23
OHABOLANA 1.20-23
20 [Fiantsoana sy fananarana ataon'ny fahendrena] Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany; Manandratra ny feony eny an-kalalahana izy; 21 Mitory ao amin'izay fivorian'ny maro be mireondreona izy; Eo anoloan'ny vavahady sy ao an-tanàna no ilazany ny teniny hoe: 22 Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian'ny mpaniratsira amin'ny faniratsirana, Ary hankahalan'ny adala ny fahalalana? 23 Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko.Ny fananarana ny olona
Toe-javatra mifanerasera amin’ny olona mandrakariva ary natao ho an’ny olona indrindra ny fananarana .Zavatra nataon’ny mpanabe ho an’ny beazina izany , fa izay tena hisehoany dia avy amin’ny ray amandreny ho an’ny zanaka .Raha ny marina izany dia olona no tena hisehoan’izany fananarana izany .Eto anefa dia misy endrika miavaka hanehoana izany fananarana izany amin’ny alalan’ny fahendrena satria :
1-Omena endrika olona ny fahendrena
Mariho tsara fa lazaina hoe: manao ireto asa ireto ny fahendrena : »miantso afy , manandratra ny feony , mitory ao amin’izay fivorian’ny maro be« .Raha ny marina dia olona no manao izany asa na hetsika izany .Eto anefa dia ny fahendrena no lazaina fa manao izany .Tena fomba fiasan’Andriamanitra mihitsy ny mampiasa endrika olona tahaka izany mba hanatonany ny olona ary hilazana fa tena akaiky ny olona ary mihevitra ny olona tokoa Andriamanitra .Ampiasaina koa izany fanomezana endrika olona ny fahendrena izany mba hilazana amin’ny olona resahana ny anarina rehetra hoe: fantany ny zavatra ampitana aminy ka tsy ho afa- miala izy amin’izany ary tsy ho fanamaivanana izany koa izy.
2-Antsoiny hiverina amin’Andriamanitra ny olona
Ny endriky ny fiverenana amin’ Andriamanitra dia ny fialàna amin’ny faharatsiana ary izany no iantsoantsoan’ny fahendrena mafy ny olona mba tsy andevozin’ny fahotana sy ny faharatsiana hatrany fa hanana fiainana ao amin’ny Tompo .
Fanontaniana :
Ambara eto fa miantso ny fahendrena .Iza no antsoiny ary iza no afaka hamaly izany antsony izany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM