Ny fananan’ny vahoaka an’Andriamanitra

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 11 Febroary 2023

DEOTERONOMIA 4.32-40

DEOTERONOMIA 4.32-40
32 Fa anontanio ange ny andro lasa, izay teo alohanao hatramin'ny andro izay namoronan'Andriamanitra olombelona tet? ambonin'ny tany ary hatramin'ny faravodilanitra manodidina, raha mba nisy zavatra lehibe tahaka izany, na mba efa nisy re tahaka izany. 33 Moa efa nisy firenena nandre ny feon'Andriamanitra niteny tao amin'ny afo, tahaka ny efa renao, ka velona ihany? 34 Moa efa nanandrana handeha haka firenena ho Azy avy amin'ny firenena hafa va Andriamanitra amin'ny fizahan-toetra sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny ady sy ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe, araka izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo tany Egypta teo imasonao? 35 Hianao no nampahitainy izany, mba hahafantaranao fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy. 36 Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony hananarany anao; ary teo ambonin'ny tany no nanehoany anao ny afony lehibe; ary ny teniny efa renao avy tao afovoan'ny afo. 37 Ary satria tia ny razanao Izy ka nifidy ny zanany mandimby azy, dia Izy no nitondra anao nivoaka avy tany Egypta tamin'ny heriny lehibe, 38 handroahany eo anoloanao firenena maro izay lehibe sy mahery noho ianao, mba hampidirany anao sy hanomezany anao ny taniny ho lova, tahaka ny amin'izao anio izao. 39 Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra any amin'ny lanitra ambony sy et? amin'ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy. 40 Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin'ny tany, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay.

Ny fananan’ny vahoaka an’Andriamanitra

no tombony lehibe ho azy

And 33 ; Andriamanitra ao anaty afo nefa velona ny olona itenenany . Eto dia fampitahan’i Mosesy ny vahoaka Israely amin’ny vahoaka amin’ny firenen-kafa .Tsy misy amin’ireny andriamanitra tsy izy ireny miteny amin’ny vahoakany ao anaty afo lehibe , fa Jehovah Andriamanitra kosa dia efa niteny tao amin’ny vahoakany tao anaty afo kanefa tsy nisy naninona ny vahoaka .

And 34 : Andriamanitra mahavita mamolaka filoham-panjakana manan-daza sy hery ka namotsotra ny vahoakany . Nnihavitra ny vahoaka Israely fa ao amin’ny taniny dia ao Kanana ihany no mihatra ny fahefana maha-Andriamanitra an’i Jehovah Andriamanitra . Kanefa diso izany satria hatramin’izao tontolo iza aza dia ananany fahefana ary na dia ireo filoham-panjakana miseho ho mahery sy matanjaka ary madi-doha aza dia voafolany . Ambaran’i Mosesy eto aza fa izay mpanjaka niseho nampahory ny zanak’Israely vahoakany dia nahita faisana avokoa .

And 38 : Andriamanitra manome tombotsoa materialy ho an’ny olony .Tsy mbola nisy tokoa angamba teto amin’izao tontolo nahavita nandroaka vahoaka iray firenena ka nanala azy tao aùmin’ny taniny ary nanolotra izany ho an’ny vahoakany dia tany tondra-dronono sy tantely . Ny tany izay tsara indrindra , manan-karena, mamokatra indrindra no nomeny ho lovany . Sambatra isika fa hoy ny Salamo 33.12 « Sambatra ny firenena izay mananan an’i Jehovah ho Andriamaniny »

Fanontaniana :

Toy inona no anoharanao antsika kristiana ampitahaina amin’ny vahoaka hafa eo amin’izao tontolo izao amin’ny fananantsika an’i Jehovah Andriamanintsika ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM