Ny fanampiana ny voafonja.

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 21 Desambra 2024

Filipiana 4.10-19

Filipiana 4.10-19
10 [Saotra nataon'i Paoly ny Filipiana noho ny fanomezana nampitondrainy an'i Epafrodito, ary fanaovam-beloma sy tso-drano. Ary faly indrindra ao amin'ny Tompo aho, satria nampitsimohinareo indray ankehitriny ny fiheverana ahy, izay efa noheverinareo rahateo, saingy tsy mbola nahita andro hanaovana ianareo. 11 Tsy filan-javatra anefa no anaovako izany; fa izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana. 12 Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo; na aiza na aiza, ary na amin'inona na amin'inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo. 13 Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'ilay mampahery ahy. 14 Kanefa nanao soa ianareo no niaraka ory tamiko ka niantra ahy. 15 Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin'ny niandohan'ny filazantsara, rehefa niala tany Makedonia aho, tsy nisy fiangonana* nanan-draharaha tamiko ny amin'ny fanomezana sy fandraisana, afa-tsy ianareo ihany. [* Gr. eklesia] 16 Fa fony tany Tesalonika aza aho, dia nampanatitra ho ahy indray mandeha amana indroa ianareo hamonjy ahy. 17 Nefa tsy toy ny mitady ny fanomezana no izany; fa mitady ny vokatra izay hitombo ho voninahitrareo aho. 18 Fa manana ny zavatra rehetra aho sady manana amby ampy aza; feno aho, rehefa nandray tamin'i Epafrodito ilay zavatra nampitondrainareo, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra tian'Andriamanitra sady ankasitrahany. 19 Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra no amin'i Kristy Jesosy.

Ny fanampiana ny voafonja.

1- Mariky ny fandavan-tena ho fanampiana ny hafa.

Tamin’ny fotoana nigadran’i Paoly no nanoratany ity Epistily ity. Tsy namela an’i Paoly hiady irery ny Kristiana tany Filipy fa nanao izay azony natao ho fanampiana azy. Hita taratra eto fa nandray tsara ny Filazantsara ny mpino, nitoetra tao am-pon’izy ireo ny fandavan-tena sy ny fiheverana ny hafa. Noho izany dia tsy sarotra taminy ny nifanentana mba hanangonana izay azo natolotra ho fanampiana an’i Paoly. Tsapany ny hasarobidin’ izany atao hoe: « velona ho an’ny hafa ».

2- Ilana olona mahatoky

Tonga soa aman-tsara tany amin’i Paoly ny fanampiana. Zavatra fahita koa mantsy indraindray ny fanodinkodinan’ny olona sasany ireny fanampiana ho an’ny mahantra sy ny sahirana ireny, hany ka tsy tonga any amin’izay tokony hiantefany. Fa sady mahakivy ny mpanome izany no maharatsy endrika ny Fiangonana. Ny fitiavana ombam-pandavan-tena no ahaizantsika mitia sy hihevitra ny namana, indrindra fa ny mpianakavin’ny finoana. « Ary araka izay tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa » (Lio 6.31)

3- Mitondra fampaherezana

Nasehon’i Paoly tamin’ny alalan’ny taratasy nosoratany ny hafaliany noho izany. Nomarihiny mazava tsara kosa anefa fa tsy filan-javatra no nahafaly azy, fa efa nivonona amin’izay rehetra mety hihatra taminy izy (and.11-13). Zava-dehibe taminy ny fahatsapany fa miombom-po amin’ny zavatra izay manjo azy ny Fiangonana-ka hoy izy: « Kanefa nanao soa ianareo no niaraka ory tamiko ka niantra ahy » (and.14).

Fanontaniana:

Manana tetikasa ho fanampiana ny mahantra sy ny any amin’ny Jonja ve ny Fiangonana misy anao? Inona no antony?

Sampana Sekoly Alahady Foibe