Ny fanambaran’ ny fanafahan’ Andriamanitra

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 16 Jolay 2020

EKSODOSY 18.7-12

EKSODOSY 18.7-12
7 Ary Mosesy nivoaka hitsena ny rafozany, dia niankohoka sady nanoroka azy; ary nifampiarahaba izy mianaka, dia niditra tao an-day. 8 Ary nambaran'i Mosesy tamin'ny rafozany izay rehetra efa nataon'i Jehovah tamin'i Farao sy tamin'ny Egyptiana noho ny amin'ny Isiraely, mbamin'ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dalana, sy ny namonjen'i Jehovah azy. 9 Dia faly Jetro noho ny soa rehetra izay efa nataon'i Jehovah tamin'ny Isiraely, izay novonjeny ho afaka tamin'ny tanan'ny Egyptiana. 10 Ary hoy Jetro: Isaorana anie Jehovah, Izay namonjy anareo ho afaka tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy tamin'ny tànan'i Farao, dia Izay namonjy ny olona tsy hotapahin'ny Egyptiana. 11 Ankehitriny dia fantatro fa lehibe Jehovah mihoatra noho ny andriamanitra rehetra, dia tamin'izay zavatra nentin'ny Egyptiana nirehareha tamin'ireny. 12 Ary Jetro, rafozan'i Mosesy, nitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ho an'Andriamanitra; dia nankao Arona sy ny loholon'ny Isiraely rehetra hiara-mihinan-kanina amin'ny rafozan'i Mosesy teo anatrehan'Andriamanitra.

Ny fanambaran’ ny fanafahan’ Andriamanitra

1-Mitondra fifaliana ho an’ny hafa

« dia faly i Jetro noho ny soa rehetra efa nataon’i Jehovah tamin’Israely »(and9)

Nitondra fifaliana ho an’i Jetro rafozan’i Mosesy ny nandrenesany ny fitantaran’ i Mosesy ny fanafahan’ Andriamanitra ny Zanak’ Israely tamin’i tànan’ ny Farao sy ny Egyptiana , izay nirehareha tamin’ny heriny . Voatantara hatrany amin’ny loza folo ka hatrany amin’ny fahafatesan’ny miaramila Egyptiana tao amin’ny ranomasina mena izany . Noho izany , ny fandrenesan’ny olona ny fanafahana sy famonjena ataon’ Andriamanitra amin’ny vahoakany dia miteraka fifaliana ho azy satria mariky ny fahalehibiazan’ Andriamanitra izany (and11). Koa amarao ny hafa ny fanafahan’ Andriamanitr anao .

2-Mahatonga ny hafa hanome voninahitra Azy

« Ary hoy i Jetro : Isaorana anie Jehovah , izay namonjy anareo … dia izay namonjy ny olona... » (and10)

Nahatonga an’i Jetro hisaotra an’Andriamanitra ny fanafahana sy ny famonjena izay nataony tamin’ny Zanak’Israely . Fanatr’i Jetro sy tsapany ny hasarobidin’ny asan’Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny vahoakany , nanafaka azy ireo tamin’ny tànan’ny fahavalo Izy , sady nitahiry azy ireo tamin’ny fahavelomana . Koa ny fahatsapan’ny olona ny lanjan’ny asan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny vahoakan’Andriamanitra no nahatonga azy hanome voninahitra an’ Andriamanitra . Ambarao amin’ny hafa ny fanafahana sy ny famonjena nataon’Andriamanitra taminao mba hahatonga azy hankalaza an’Andriamanitra .

Fanontaniana :

Inona no tokony hatao raha nafahan’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM