Ny fanambadiana

Mofonaina anio: Zoma, faha 13 Oktobra 2023

1Korintiana 7,1-16

1 Korintiana 7,1 - 16
1 [Ny amin'ny fanambadiana] Ary ny amin'ireo zavatra nosoratanareo, dia tsara amin'ny lehilahy raha tsy mikasi-behivavy akory. 2 Anefa noho ny fijangajangana dia aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy. 3 Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin'ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin'ny lahy. 4 Ny vavy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny lahy; ary mba toy izany koa ny lahy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny vavy. 5 Aza misara-pandriana ianareo, raha tsy amin'izay andro sasany ifanekenareo ho andro hivavahana, nefa mbola hiraisanareo fandriana indray, mba tsy hakan'i Satana fanahy anareo noho ny tsi-faharetanareo. 6 Fandeferana anefa no anaovako izany, fa tsy mandidy aho. 7 Fa tiako ho tahaka ahy ny olona rehetra; kanefa samy manana izay fanomezam-pahasoavana nomen'Andriamanitra ary avy, ka ny anankiray toy izao, ary ny anankiray toy izao kosa. 8 Fa hoy izaho amin'ny tsy manam-bady sy ny mpitondratena kosa: Tsara aminy raha mitoetra tahaka ahy izy. 9 Nefa raha tsy maharitra izy, dia aoka hanam-bady ihany; fa tsara ny manam-bady noho ny ho maimay. 10 Ary ny manam-bady dia didiako, nefa tsy izaho, fa ny Tompo: Aoka tsy hiala amin'ny lahy ny vavy, 11 (nefa raha misy efa niala, dia aoka hitoetra tsy manam-bady, na aoka hody amin'ny lahy); ary ny lahy aoka tsy hiala amin'ny vavy. 12 Fa amin'ny sisa, dia hoy izaho, fa tsy ny Tompo: Raha misy rahalahy manam-bady tsy mino, ary mety mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy hialany izy. 13 Ary raha misy vehivavy manam-bady tsy mino, ka mety mitoetra aminy ihany ny lahy, dia aoka tsy hialany izy. 14 Fa ny lahy tsy mino dia efa masina ao amin'ny vavy ary ny vavy tsy mino dia efa masina ao amin'ny rahalahy; raha tsy izany kosa, dia tsy madio ny zanakareo; fa raha izany, dia masina izy. 15 Fa raha ny tsy mino no miala, aoka hiala izy. Na rahalahy na anabavy dia tsy voafehy amin'izany; fa Andriamanitra efa niantso antsika amin'ny fihavanana. 16 Fa ahoana moa no ahafantaranao, ravehivavy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia? Ary ahoana no ahafantaranao, ralehilahy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia?

1Korintiana 7,1-16

Ny fanambadiana

1-Fiombonana aina

« Aoka ny lahy hanao izay mety amin’ny vavy,ary mba toy izany koa ny vavy amin’ny lahy » (and.3) . Ity andininy ity dia miresaka indrindra amin’ny fiombonana aina manokana eo amin’ny mpivady,dia ny firaisana ara-nofo izany. Ambaran’i Paoly Apostoly fa manana zo hitovy amin’ny firaisana ara-nofo ny mpivady ary toy ny trosa tsy maintsy aloa mihitsy izany raha ny teny fototra no jerena. Araka izany ,ny firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady dia adidy tsy maintsy atao, ho mariky ny fanehoam-pitiavana amin’ny vady. Noho izany , tsy ifanerena akory izany fa atao amin’ny fitiavana.Voatokana ho an’ny mpivady ihany izany ary masina satria manana hevi-pinoana lalina, dia fifandraisan lalina eo amin’i Kristy sy ny Fiangonana izay vadin’i Kristy.

2-Fahefana

«Ny vavy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny lahy; ary mba toy izany koa ny lahy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny vavy» (and.4). tamin’ny andron’i Paoly Apostoly, dia kely kokoa ny zon’ny vehivavy raha mitaha amin’ny zon’ny lehilahy. Manazava ny Soratra Masina fa mitovy ny zo sy fahefan’ny lahy sy ny vavy ao anatin’ny tokantrano. Ary mbola lasa lavitra kokoa aza satria ny lahy tsy tompon’ny tenany fa an’ny vavy ary ny vavy tsy tompon’ny tenany fa an’ny lahy. Ny fanambadiana dia fiaraha-monina eo amin’ny olona mitovy zo sy fahefana sady mifampiankina. Mitaky fifampidinihana eo amin’ny mpivady avokoa ny fiainana rehetra ao anatin’ny tokantrano fa izany no fampianarana araka an’i Kristy.

Fanontaniana :

Ahoana no fomba fanapahan-kevitra eo amin’ny mivady?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM