Ny fanambadiana
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 02 Oktobra 2023
Matio 19,1-9
Matio 19,1-9
1 Ary rehefa vitan'i Jesosy izany teny izany, dia niala tany Galilia Izy ka nihazo ny lalana teny an-dafin'i Jordana, dia tonga tany amin'ny sisin'i Jodia. 2 Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy, dia nahasitrana azy teo Izy. 3 Ary nisy Fariseo nanatona Azy*, dia naka fanahy Azy hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy noho izay rehetra entiny iampangany azy na inona na inona?[*Na: (Ary nanatona Azy ny Fariseo)] 4 Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny, fa Izay nahary azy tamin'ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy (Gen. 1. 27), ka dia nanao hoe: 5 Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa. (Gen. 2. 24)? 6 ka dia tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa amin'izany, izay nampiraisin'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona. 7 Hoy ireo taminy: Nahoana ary Mosesy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy? (Deo. 24. 1). 8 Ary hoy Jesosy taminy: Ny hamafin'ny fonareo no namelan'i Mosesy anareo hisao-bady; fa tamin'ny voalohany dia tsy mba toy izany. 9 Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga; ary izay mampakatra ny voasaotra dia mijangajanga koa.Ny fanambadiana
1- Fiombonan’ny lahy sy vavy
«fa Izay nahary azy tamin’ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy» (and.4).
Noharian’Andriamanitra avy tamin’i Adama ny vehivavy. Midika izany fa ny mpivady dia avy tamin’ny vatana iray sy aina iray ary fanahy iray. Azon’Andriamanitra natao ny namorona an’i Eva tsy misy fifandraisana amin’i Adama. Mifameno ara-pahariana ireo. Toy izany ihany koa ny fanambadiana, araka ny hevitr’i Jesoa Kristy. Noho izany fifamatorana misy eo amin’ny lahy sy ny vavy mpivady, araka ny nahariana azy hatrany amboalohany izany, no nahatonga an’i Jesoa Kristy mandà ny fisaraham-panambadiana. Ny fahatakaran’ny olona ny fisainana tao amin’Andriamanitra, Izay nahary ny fanambadiana dia mahatonga azy tsy hisara-panambadiana.
2- Fiombonana maharitra
2- Fiombonana maharitra
«Koa amin’izany, izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona»
(and.6). Voalaza tokoa fa nanome alalana ny fisaraham-panambadiana i Mosesy. Ny fisaraham-bady izay efa fanaon’ny firenena tranainy tamin’izany fotoana izany. Ny lalàn’i Mosey dia natao ho fitaizana tsikelikely ny Zanak’Israely hiala amin’izany ka hiaina ny fanambadiana araka ny tokony ho izy. Jesoa Kristy no tena nanome ny fomba fisainana ambony avy amin’Andriamanitra tokony hiainana ny fanambadiana, araka izao : Andriamanitra nampiombona ny lahy sy vavy tao amin’ny fanambadiana, tsy fifanarahana tsotra eo amin’ny samy olombelona ny fanambadiana, ka tsy mety ny misaraka.
Fanontaniana
Ahoana ny fomba hisorohana ny fisaraham-panambadiana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM