Ny Fanahy vaovao omen’Andriamanitra no :

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 29 Mey 2023

EZEKIELA 11.14-21

EZEKIELA 11.14-21
14 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 15 Ry zanak'olona, ny rahalahinao, eny, ny rahalahinao no andraikitrao*, dia ny taranak'Isiraely rehetra, izay nitenenan'ny mponina any Jerosalema hoe: Manalavira an'i Jehovah; izahay no nomena ity tany ity ho lova.[Na: iray firazanana aminao] 16 Koa lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Na dia nampandehaniko lavitra any amin'ny jentilisa aza izy ka naeliko tany amin'ny tany maro, dia ho fitoerana masina ho azy vetivety* Aho any amin'ny tany izay alehany.[Na: kely ho azy] 17 Koa lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hovoriko avy any amin'ny firenena ianareo, ary hangoniko avy any amin'ny tany izay nampielezana anareo, ka homeko ny tanin'ny Isiraely ianareo. 18 Ary ho tonga ao izy ka hanaisotra ny zava-dratsiny rehetra sy ny fahavetavetany rehetra. 19 Dia homeko fo iray izy, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin'ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy, 20 mba handehanany araka ny didiko sy hitandremany ny fitsipiko ka hanarahany izany, ary izy dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny. 21 Fa ny amin'izay manana fo manina ny zava-dratsiny* sy ny fahavetavetany, dia hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny nataony**, hoy Jehovah Tompo.[*Heb. manaraka ny fon'ny zava-dratsiny][Heb. lalana]

Ny Fanahy vaovao omen’Andriamanitra no :

1-Manafaka ny mpifatotra

Mibahan-toerana eto amin’ny faminanian’i Ezekiela eto ity ny fampanantenana fanafahana izay hataon’Andriamanitra teo anoloan’ny fahababoana izay nahazo ny vahoakan’Andriamanitra . Ary hita eto fa Andiamanitra Izy tenany mihitsy no manome toky sy miantoka ny fahatanteran’izany , ka hoy Izy : » hovoriko … hangoniko …homeko ny tanin’Israely ianareo » .Misy fepetra apetrak’Andriamanitra ihany anefa eo amin’ny andininy faha-21 izay mitaky fahafoizana sy fandaozana tanteraka ny zava-dratsy izay nangeja teo aloha . Hatramin’ny ankehitriny dia mbola manome toky sy mampanantena antsika koa ilay zanak’Andriamanitra izay naharesy izao tontolo izao ka milaza fa  » raha ny Zanaka no hanafaka dia ho afaka tokoa ianareo ».

2-Manadio sy mampiray

Rehefa babon’ny Jentilisa moa ireo vahoakan’Andriamanitra dia manjary nanao ny fanaon’ny Jentilisa koa ka tonga voaloto tamin’ny fahavetavetana teo anatrehany . Manoloana izany dia asehon’Andriamanitra eto fa Izy mihitsy no hanadio ny olona amin’ny alalan’ny fanomezany fo nofo ho solon’ny fo vato sy Fanahy vaovao ho ao anatin’ny olony . Fa ankoatran’izay ,rehefa nizarazara sy nifanilika ny samy Zanak’Israely dia ireo izay nijanona tao Jerosalema andaniny sy ireo lasa tany Babylona « diaspora » ankilany , dia asehon’iJehovah fa Izy no hampiray azy ireo indray araka ny maha-mpirahalahy azy . Nampahatsiahivin’ Andriamanitra an’i Ezekiela manokana izany eo amin’ny andaniny faha-15 , ary nohamafisiny ho an’ny rehetra eo amin’ny andininy faha- 19-20 .

Fanontaniana:

Ahoana no iainanao izan hoe : nahazo fo nofo sy fanahy vaovao avy amin’Andriamanitra izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM