Ny Fanahy Masina sy ny Tenin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 24 Mey 2021

1 TESALONIANA 1.1-10

1 TESALONIANA 1.1-10
1 [Fiarahabana ny Tesaloniana, sy fisaorana an'Andriamanitra noho ny nandraisan'ireo ny filazantsara sy ny nandrosoany tamin'ny finoana sy ny fitiavana] Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan'ny Tesaloniana, izay ao amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana. 2 Misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin'ny fivavahanay, 3 sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin'ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin'ny fitiavana ary ny faharetanareo amin'ny fanantenana an i Jesosy Kristy Tompontsika eo imason'Andriamanitra Raintsika; 4 fa fantatray, ry rahalahy malalan'Andriamanitra, ny fifidianana anareo, 5 fa ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin'ny teny ihany, fa tamin'ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny fahatokiana be, araka ny ahafantaranareo izay toetry ny fitondran-tenanay teo aminareo noho ny aminareo. 6 Ary ianareo efa nanahaka anay sy ny Tompo, satria nandray ny teny tamin'ny fahoriana be mbamin'ny hafaliana avy amin'ny Fanahy Masina, 7 ka dia tonga fianarana ho an'ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia ianareo. 8 Fa avy taminareo no nanenoan'ny tenin'ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany, fa teny tontolo eny no nielezan'ny lazan'ny finoanareo an'Andriamanitra, ka dia tsy misy holazainay intsony. 9 Fa ireny ihany no milaza ny aminay, dia izay fidirana azonay ho at? aminareo sy ny nialanareo tamin'ny sampy hiverenana amin'Andriamanitra mba hanompo an'Andriamanitra velona sy marina, 10 ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin'ny maty, dia Jesosy, izay Mpanafaka antsika amin'ny fahatezerana ho avy.

Ny Fanahy Masina sy ny Tenin’Andriamanitra

Paoly Apostoly no manoratra Asehony ny fifaliana , ny fisaorany an’Andriamanitra noho ny fahafantarany ny fiainan’ny fiangonana tao Tesalonika . Nomban’ny herin’ ny Fanahy Masina ny Filazantsara notoriana ka tonga manana finoana sy fiainana miavaka ny mpino kristiana.

1-Mamelona finoana marina

Nanana finoana miavaka ny mpino tao Tesalonika (and 2). Finoana vokatry ny fandraisana ny Filazantsara notoriana tamin’izy ireo izany . Tsy nijanona ho teny nohenoina fotsiny mantsy izany Filazantsara izany fa tena noraisin’izy ireo noho ny asan’ny Fanahy Masina . Tonga tamin’ny finoana marina an’i Jesoa Kristy izy ireo ka nanary ny sampy , nampitodika ny fony , nanolotra ny fiainany ho an’Andriamanitra (and 9) . Tsarovy fa zava-dehibe tokoa eo amin’ny fiainan’ny olona mihaino ny Tenin’Andriamanitra ny asan’ny Fanahy Masina .

2-Mampijoro ho vavolombelona

Ilay finoana marina nananan’ny mpino kristiana tao Tesalonika dia niseho tamin’ny fiainany andavanandro . Nahafahan’izy ireo nijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy ny fiainany . Fantatra tamin’ny amin’ny faritra samihafa izany ka nanafaingana ny fampielezana ny Filazantsara (and 7,8) . Tsarovy fa rehefa manaiky hiaina amin’ny Tenin’Andriamanitra eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina isika mpino kristiana , miaina amin’ny finoana marina dia hisy hatrany ny fahombiazana amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara ataontsika Fiangonana.

Fanontaniana :

Manao ahoana ny toetry ny finoana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM