Ny Fanahy Masina dia mikasa ho famonjena ny olona rehetra

Mofonaina anio: Talata, faha 04 Mey 2021

ASAN'NY APOSTOLY 11.1-18

ASAN'NY APOSTOLY 11.1-18
1 [Ny namalian'i Petera ny olona izay nanome tsiny azy] Ary ny Apostoly sy ny rahalahy izay tany Jodia dia nahare fa ny jentilisa koa efa nandray ny tenin'Andriamanitra. 2 Ary nony tafakatra tany Jerosalema Petera, dia nila ady taminy ny mino izay isan'ny voafora 3 ka nanao hoe: Efa niantrano tany amin'ny olona tsy voafora ianao sady niara-nihinana taminy. 4 Ary Petera dia nitantara izany taminy hatramin'ny niandohany ka nanao hoe: 5 Tany an-tanàna Jopa aho ka nivavaka, ary azon-tsindrimandry aho, dia nahita fahitana, ka, indro, nisy zavatra nidina avy tany an-danitra toa lamba lehibe nampidinina tamin'ny zorony efatra, dia nankeo amiko izany; 6 ary raha nijery sy nandinika azy aho, dia hitako ny biby et? an-tany, izay manan-tongotra efatra, sy ny bibi-dia sy ny zava-mandady sy mikisaka ary ny voro-manidina koa. 7 Ary nandre feo koa aho nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry Petera, vonoy, ka hano. 8 Fa hoy izaho: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola niditra tamin'ny vavako izay zava-padina na tsy madio. 9 Ary nisy feo avy tany an-danitra namaly fanindroany hoe: Izay efa nodiovin'Andriamanitra aza ataonao ho fady. 10 Ary intelo no nanaovana izany, dia nosarihana niakatra tany an-danitra indray izany rehetra izany. 11 Ary tamin'izay dia, Indreo, nisy telo lahy nijanona teo anoloan'ny trano nitoeranay, izay iraka avy tany Kaisaria hankeo amiko. 12 Dia nasain'ny Fanahy hiaraka tamin'ireo aho ka tsy hizaha tavan'olona na dia kely akory aza. Ary niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto, ka niditra tao an-tranon-dralehilahy izahay. 13 Ary nambarany taminay ny nahitany ny anjely nitsangana tao an-tranony ka nanao hoe: Maniraha ho any Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera; 14 izy hilaza teny aminao, izay hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra. 15 Ary raha vao niteny aho, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina tahaka ny tamintsika fahiny. 16 Dia nahatsiaro ny tenin'ny Tompo aho, izay nolazainy hoe: Jaona nanao batisa tamin'ny rano, fa ianareo kosa dia hatao batisa amin'ny Fanahy Masina. 17 Koa raha mba homen'Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an'i Jesosy Kristy Tompo dia iza moa aho no hahasakana an'Andriamanitra? 18 Ary rehefa nandre izany ireo, dia nangina sady nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe: Efa nomen'Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana.

Ny Fanahy Masina dia mikasa ho famonjena ny olona rehetra

Nanome tsiny an’i Petera ny Jiosy mpino satria nandray ny Jentilisa ho isan’ny mpino izy . Inona no navaliny izany?

1-Ny Fanahy Masina dia mahatonga antsika ho sahy hijoro ho vavolombelona

Fantatr’i Petera mazava tsara fa fandikana ny lalàna Jiosy ny fiampangana (Asa 10.28) . marim-pototra eo anatrehan’ny lalàna Jiosy , ka tsy misy azo ialana, raha araka ny fisainana maha-olona . Kanefa , rehefa nampahafantarin’ny Fanahy Masina azy izay tena sitrapon’Andriamanitra dia tsapany fa mifikitra amin’ny fomba sy ny lalàna izay efa nofoanan’Andriamanitra ireto mpiampanga azy ireto . Sahiny ny hijoro ho vavolombelona hanohitra azy ireo . Sahiny ny nanazava ny anton’izao fandraisana ny Jentilisa ho isan’ny mpino izao . Ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia manafaka ny olona tsy ho andevon’ny fombafombam-pivavahana ivelany .

2-Ny Fanahy Masina dia mitarika antsika tsy hizaha tavan’olona ( and12 )

Niova fo ka nanaiky hatao batisa tamin’ny Anaran’i Jesoa Kristy ireo Jentilisa , ary nangataka an’i Petera mba hiara-mitoetra aminy andro vitsivitsy taorian’ny nanaovana batisa azy ireo (Asa 10.48). Nanaiky izany i Petera ka izany no nahatonga ny fiampangan’ny Jiosy azy taty aoriana. Tsy mba tahaka ny fijerin’ny olona ny fijerin’ny Tompo . Fa na dia izay heverin’ny olona ho fanao tsinontsinona sy maloto aza dia tian’Andriamanitra hovonjena . Ny olona manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia mampandefitra ny fahamboniany sy ny fiheveran-tena ho zavatra , ka mitondra famonjena ho an’ireo izay voahilikilika . Jesoa koa dia efa nampangaina satria niantrano tany amin’ny mpanota .

Fanontaniana :

Mbola misy fanavakavahana ve ao amin’ny Fiangonana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM