Ny Fanahy Masina ao amin’ny olon’Andriamanitra no mampahery sy miaro ary manome ny teny ambara rehefa ao anatin’ny ady sarotra (and 14)
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 08 Jona 2024
Lioka 21. 12-19
Lioka 21. 12-19
12 Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin'ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako. 13 Dia ho tonga ho vavolombelona aminareo izany. 14 Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo; 15 fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon'ny fahavalonareo rehetra valiana na resena. 16 Ary hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza ianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny. 17 Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako. 18 Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin'ny lohanareo aza. 19 Amin'ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo.Ny Fanahy Masina ao amin’ny olon’Andriamanitra no mampahery sy miaro ary manome ny teny ambara rehefa ao anatin’ny ady sarotra (and 14)
Na taloha na ankehitriny dia tsapa fa mafy ny manatrika izany adim-pitsarana izany, indrindra ka hoe ny tena no voarohirohy. Misy tahotra mantsy tsy maintsy tsapan’ilay tsaraina, satria eo ny maha manam-pahefana azy, eo koa ny herisetra ara-pitenenana mety ataony ka mety hampangovitra. Saina feno tahotra no entina eo hany ka mety hiteraka olana satria mety hilaza ny tsy marina noho ny tahotra ihany. Ny mpianat’ i Jesoa dia mety ho tratran’izany fa ampahereziny fa tsy tokony hatahotra fa ny Fanahy Masina no hiteny amin’izany, ary amin’izay koa amin’ilay tsy hain’ireo olon’ny fitsarana ho valiana izany. Tsy tokony hanan-tahotra mihintsy fa na ireo aza tsy hahita havaly. Izy no miady ho antsika.
Na dia mahafoy amin’y fotoan-tsarotra aza ny olona rehetra, miaro hatrany Andriamanitra (and 18)
Mafy tsy maintsy lalovan’ny kristiana izany fandaozan’ny olona akaiky ny tena izany satria Jesoa aza mba nilaozan’ny mpianany sy ny mpiray tampoho taminy. Ny reniny ihany no tsy nandao Azy. Ankoatra izany koa tsy maintsy hiharan’ny fanenjehana ny kristiana na mivantana io na ankolaka. Mety hihatra aman’aina mihintsy toy ny taloha. Fa ny ankehitriny dia ankolaka toy ny endrikendrika, hoso-potaka, fanaratsiana amin’ny zavatra tsy natao, teny marary sy maneso, fanambaniana, fanalam-baraka amin’ny haino aman-jery. Tsy ho very na singam-bolo iray aza, hoy i Jesoa.
Fanontaniana
Amin’izao fotoana izao ve ianao anisan’ izay hiharan’ny fanejehana amin’ny maha kristiana anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe