Ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 30 Mey 2020
ASA 2.1-13
Asan'ny Apostoly 2,1 - 13
1 [Ny nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Andro Pentekosta, sy ny tori-teny nataon'i Petera tamin'izany] Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra. 2 Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. 3 Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany. 4 Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy. 5 Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin'ny firenena samy hafa rehetra ambanin'ny lanitra. 6 Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin'ny fiteniny avy izy rehetra. 7 Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo? 8 Koa ahoana no andrenesantsika amin'ny fitenintsika avy izay nahabe antsika 9 - dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia 10 sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an'i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta, 11 Kretana sy Arabo - koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin'ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon'Andriamanitra? 12 Dia talanjona izy rehetra ka niahanahana sady niresaka hoe: Ahoana no tokony ho hevitr'izany? 13 Fa ny sasany nihomehy ka nanao hoe: Leon-divay mamy ireo.Ny Fanahy Masina
Toe-javatra nitranga tamin’ny andron’ny Pentekosta , izay nanatanterahan’i Jesoa Kristy ny teny fampanantenany , ka nanomezany ny Fanahy Masina ho an’ny mpianatra no hitantsika amin’izao Asa 2 izao.
1-Ho an’izay mankato ny Tenin’i Jesoa
Nanaraka ny tenin’i Jesoa ny mpianatra ka nitoetra tao Jerosalema , nitoetra tao amin’ny efitra iray (fitoerana iray) .Endrika maneho ny fiombonana sy fifankatiavana , sady fanatanterahana ny baikon’i Jesoa Kristy izany.Vokatr’izany indrindra dia indro i Jesoa nanatanteraka ny Teny fampanantenany , ka nomeny ny mpianatra tamin’izany fotoana izany ny Fanahy Masina . Nandray ny Fanahy Masina ny mpianatry ny Tompo tsirairay.Tsarovy àry fa rehefa mankato ny Tenin’i Jesoa Kristy isika dia tanterahiny amintsika ny Teny fampanantenany.
2-Mampijoro vavolombelona
Rehefa nandray ny Fanahy Masina ireo mpianatr’i Jesoa Kristy dia nampitenenan’ny Fanahy Masina tamin’ny fiteny samihafa mba hanehoana ny asa lehibe nataon’Andriamanitra .Gaga sy talanjona ireo sokajin’olona tonga tao Jerosalema(and8-11) .Izany hoe: rehefa nandray ny Fanahy Masina ny mpianatra dia nitory ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny fitenim-pirenena samihafa.Mazava araka izany fa raha manaiky hotarihan’ny Fanahy Masina isika dia vonona , feno fahasahiana hatrany hanambara ny famonjen’Andriamanitra amin’ny mpiara-belona amintsika.
Fanontaniana:
Efa mba nanambara ny asa lehibe nataon’Andriamanitra ho anao tamin’ny manodidina anao ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM