Ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 20 Mey 2021
JAONA 14.15-26
JAONA 14.15-26
15 Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko. 16 Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] 17 dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. 18 Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankat? aminareo Aho. 19 Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy; satria velona Aho, dia ho velona koa ianareo. 20 Amin'izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin'ny Raiko, ary ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo. 21 Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy. 22 Hoy Jodasy (tsy Iskariota) taminy: Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao, fa tsy amin'izao tontolo izao koa? 23 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy. 24 Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an'ny Ray izay naniraka Ahy. 25 Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26 fa ny Mpananatra*, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. [Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava]Ny Fanahy Masina
1-Monina ao amin’ny mpino
Nambaran’i Jesoa Kristy mazava tsara eto fa ny mpianatra , ny mpino manaiky hitandrina ny didiny doa omeny ny Fanahy Masina honina sy hitoetra ao anatiny . Ny Fanahy Masina no manavaka ny tena mpanara-dia Azy amin’ny olon’izao tontolo izao , satria ny mpanara-dia Azy ihany no mahaala sy afaka mandray izany . Omeo toerana eo amin’ny fiainanao ny Fanahy Masina dia hiavaka ianao .
2-Mampahery ny mpino
Z ava-dehibe eo amin’ny fiainan’ny mpianatra io fanomezana ny Fanhin’ny fahamarinana avy amin’i Jesoa io . Rehefa ao anatin’ny mpianatra ny Fanahy Masina dia tsy irery ny mpianatra , tsy ho kamboty izy ireo rehefa handao azy amin’ny endrika hita maso i Jesoa . Ioa Fanahy Masina io no mampahery ny mpianatra amin’ny andraikitra apetrak’iJesoa hotanterahina . Mahery mandrakariva ny mpino marina .
3-Mampianatra
Tsy mora ny asa fanompoana hotanterahin’ny mpianatra . Miasa , mitari-dàlana ho amin’izany asa fanompoana izany ny Fanahy Masina . Hampianatra , hampahatsiaro ieay rehetra efa nambaran’iJesoa mba hahatonga ny mpianatra hahajoro sy handroso hatrany amin’ny asa fanompoana na dia sarotra aza izany . Noho ny asan’ny Fanahy Masina dia tanteraka ny asa fitoriana ny Filazantsara .
Fanontaniana :
Inona no toetra mampiavaka ny mpino manana ny Fanahy Masina , Ilay Fanahin’ny Fahamarinana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM