Ny Fanahin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 25 Mey 2024
Ezekiela 37. 1-10
Ezekiela 37. 1-10
1 [Fanoharana ny amin'ny hampodiana ny Isiraely, sy ny hanakambanana azy ho firenena iray hanjakan'i Davida] Tao amiko ny tànan'i Jehovah, ary ny Fanahy no nitondran'i Jehovah ahy nivoaka, dia napetrany teo amin'ny lohasaha feno taolana aho. 2 Ary nitondra ahy nandehandeha teny amin'ireo Izy; ary, indreo, betsaka dia betsaka teny amin'ny lohasaha ireo, ary, indreo, maina dia maina Ireo. 3 Ary hoy Jebovah tamiko: Ry zanak'olona, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Ary hoy izaho: Jehovah Tompo ô, Hianao no mahalala. 4 Dia hoy indray Izy tamiko: Maminania amin'ireto taolana ireto, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin'i Jehovah! 5 Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ireto taolana ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; 6 ary hasiako ozatra ianareo ka hampaniriko nofo; ary hosaronako hoditra ianareo; ary hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. 7 Dia naminany aho araka izay efa nandidiana ahy, ary nony efa naminany aho. dia injany! nisy feo, ary, indreo, nihetsiketsika sady nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy. 8 Ary hitako fa, indro, naniry ny ozatra sy ny nofo, ary nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy. 9 Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin'ny fofonaina, eny, maminania. ry zanak'olona, ka ataovy amin'ny fofonaina hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Manatona avy amin'ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono ireo, mba ho velona izy. 10 Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho, ka dia nidiran'ny fofonaina ireo ka velona, dia nijoro tamin'ny tongony izy maro be dia maro be tokoa.Ny Fanahin’Andriamanitra
Manangana ny mpanompony hitondra fanantenana ho an’ny vahoakany Andriamanitra.
1-Maneho ny zava-misy eo amin’ny fiaraha-monina
Ny tanan’Andriamanitra, ny Fanahiny no nitondra an’i Ezekiela ary nametraka azy tamin’ny toerana ahitany ny zava-misy iainan’ny fiaraha-monina. Lohasaha feno taolana, taolana maina no hita, ny fahorian’ny olona, ny tsy fananan’ny olona fanantenana, eny fahafatesana aza. Ny Fanahy Masina miasa ao anatinao mpino dia mitarika anao hijery ny toe-javatra iainan’ny fiaraha-monina misy anao.
2-Manome andraikitra amin’ny zava-misy
<<Mety ho velona ihany va ireo taolana ireo?» Izany no fanontaniana namohazan’ Andriamanitra an’i Ezekiela. Tsy ampy ny maso mijery ny zava-misy co amin’ny fiaraha-monina fa tsy maintsy mihaino an’Andriamanitra ka manatanteraka ny iraka anirahany. <<Maminania…», izany hoe: Torio ny hafatr’Andriamanitra mba hihaino sy handray fiainana ireo efa rava sy very fanantenana. Raiso ny andraikitrao!
3- Miasa amin’ny fanantenana
»Dia naminany Aho … » Tsy nisalasala i Ezekiela fa nanatanteraka ny baiko ka naminany: nanambara ny Tenin’ Andriamanitra mitondra fiainana ho an’ireo ketraka. Noho ny Fanahin’ Andriamanitra nitondra sy nitarika an’i Ezekiela dia nijoro tamin’ny fanantenana sy niasa tamin’ny finoana izy ka indro nahita fahombiazana. Rehefa manaiky hiasa eo ambany fanapahana sy fitarihin’ny Fanahy Masina isika dia mahita ny asa miavaka ataon’Andriamanitra ho fanantenan’ny olona.
Fanontaniana:
Mahay mijery sy mandray andraikitra amin’ny toe-javatra iainan’ny fiaraha-monina ve ny Fiangonana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe