Ny fanahin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 17 Mey 2025

(Sal 104.1-5 / Hira21,1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 482,1-2)

Ezekiela 11.1-13
1 [Filazana ny amin'ny loza hanjo, sy fampanantenana ny famindram-po] Ary nisy fanahy* nanainga ahy koa, dia nitondra ahy ho eo amin'ny vavahady atsinanana amin'ny tranon'i Jehovah, dia ilay manatrika ny atsinanana; ary, indreo, nisy olona dimy amby roa-polo lahy teo anoloan'ny vavahady; dia hitako teo amin'ireo Jazania, zanak'i Azora, sy Pelatia, zanak'i Benaia, lehiben'ny vahoaka.[Na: rivotra] 2 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ireo no lehilahy izay mamoron-tsain-dratsy sady manolo-tsain-dratsy eto amin'ity tanàna ity, 3 dia izay manao hoe: Mbola lavitra ny hanaovana trano; ity tanàna ity no vilany, ary isika no hena; 4 ka dia maminania hamely azy, eny, maminania, ry zanak'olona. 5 Ary tonga tao amiko ny Fanahin'i Jehovah, ka hoy Izy tamiko: Lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Izany no fiteninareo, ry taranak'Isiraely, ary fantatro izay rehetra ao an-tsainareo. 6 Hianareo efa nahamaro ny voavononareo teto amin'ity tanàna ity, ary ny lalambeny efa nofenoinareo faty. 7 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny voavononareo, izay nataonareo tao aminy, no hena, ary ity tanàna ity no vilany; nefa havoaka avy ao aminy ianareo. 8 Natahotra ny sabatra ianareo; nefa hataoko mahatratra anareo ihany ny sabatra, hoy Jehovah Tompo. 9 Ary havoakako avy ato aminy ianareo ka hatolotro ho eny an-tànan'ny hafa firenena, ary hanao fitsarana aminareo Aho. 10 Ho lavon'ny sabatra ianareo; any amin'ny sisin-tanin'ny Isiraely no hitsarako anareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. 11 Ity tanàna ity tsy ho vilaninareo, ary ianareo tsy ho hena ato anatiny; fa any amin'ny sisin-tanin'ny Isiraely no hitsarako anareo 12 ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, satria tsy nandeha araka ny lalàko ianareo na nanaraka ny fitsipiko, fa araka ny fitsipiky ny jentilisa izay manodidina anareo ihany no nataonareo. 13 Ary raha mbola naminany aho, dia maty Pelatia, zanak'i Benaia. Dia niankohoka aho ka nitaraina tamin'ny feo mahery nanao hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô, holevoninao va ny hany sisa amin'ny Isiraely?

Ny fanahin’Andriamanitra

1- Manolo-tsaina sy mitari-dalàna ny mpanompony

Nandalo zava-tsarotra tokoa ny zanak’Isarely taorian’ny nanafihan’ny Babyloniana azy ireo ny taona 597 talohan’i Jesoa Kristy. Izany dia noho ny fahotan’izy ireo. Nisy anefa ireo olona izay nijoro nilaza ho mpaminany, nilaza fa tsy nanota izany izy ireo fa mbola fitahiana aza no itoerany ao Jerosalema; fa ny olona lasan-ko babo no nanota, izay ambara ho taolana. Notarihin’ny Fanahin’ Andriamanitra i Ezekiela ka nampahalalany ireo olona mpamitaka sy manome saina ratsy ireo Zanak’Israely ireo sy ny fepetra tian’Andriamanitra hatao amin’izy ireo. Ny mpanompon’ Andriamanitra dia omen’ny Fanahy masina tari-dalana sy tolo-tsaina hahafantatra ny marina rehetra. Koa andeha hanaiky ho toloran’ny Fanahy saina, fa ny marina hanafaka antsika tsy ho andevo.

2- Mampahafantatra ny fahefan’Andriamanitra

Ny Fanahy Masina eto, araka ny and.5 manao hoe: « Lazao hoe: izao nolazain’i Jehovah, izany no fiteninanareo ry taranak’israely ary fantatro izay rehetra ao an-tsainareo », no mampiteny ny mpaminany hahafantaran’ny Zanak’Israely fa tsisy miafina eo anatrehan’ Andriamanitra izay rehetra fanao sy fisaina iainan’ny Zanak’Israely, izay mahadiso azy eo anatrehan’Andriamanitra. Hanafay azy ireo Izy noho izany, ka hoentiny amin’izay zavatra nandosirany izy ireo satria tsy nanao izay mahitsy teo anatrehany. Asehon’ Andriamanitra fa lehibe ny fahefany mitantana ny Zanak’Israely amin’ny maha vahoakany azy. Isika koa dia co ambany hahefany.

Fanontaniana:

Mino ve ianao fa miharihary eo anatrehan’Andriamanitra ny fiainantsika ary tsisy takona izay tsy haseho?

Sampana Sekoly Alahady Foibe