Ny Fanahin’ Andriamanitra

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 27 Mey 2023

"Ny Fanahin'i Jehovah no mampleny ahy: ary ny teniny no amin'ny lelako" hoy i Davida mpanjaka eto. Hitantsika eto amin'ny tantaram-piainan'i Davida hatrany amin'ny fiandohany (1Sam.16) ka hatreto amin'izao fiafarany izao fa nahazo sitraka tamin' Andriamanira izy handimby an'i Saoly mba hanjaka amin'ny firenena Isiraely izay vahoaka masina ho Andriamanitra. Porofon'izany fankasitrahan' Andriamanitra azy izany izao mbola ampitenenany aey amin'ny alalan'ny Fanahiny izao Raha toa kosa ka tsy mba toy izany no niafaran'ny fanjakan'i Saoly fa nialan'ny Fanahin'i Jehovah izy. Fomba fiasan' Andriamanitra rahateo izany mifidy sy miantso olona manokana hampitondraina hafatra na irahina hamonjy ny vahoakany.

2 Samoela 23,1 - 7
1 [Ny fara-teny nataon'i Davida] Ary izao no fara-teny nataon'i Davida: hoy Davida, zanak'i Jese, dia ny lehilahy izay voasandratra ho ambony, Ilay voahosotry* ny Andriamanitr'i Jakoba sady mpanao fihirana mahafinaritra amin'ny Isiraely:[Na: Izay nampanantenaina ny amin'ny voahosotry, etc] 2 Ny Fanahin'i Jehovah no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin'ny lelako; 3 Andriamanitry ny Isiraely manao hoe, eny, ny Vatolampin'ny Isiraely miteny amiko hoe: Indro ny Mpanapaka ny olona; Marina Izy sady manapaka amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra; 4 Ary izany dia toy ny fahazavan'ny maraina, raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona iny; Ary ny ahitra manorobona amin'ny tany noho ny hain'andro manarakaraka ny ranonorana. 5 Ary tsy toy izany indrindra amin'Andriamanitra va ny taranako? Fa fanekena mandrakizay no nataony tamiko, Voalamina amin'ny zavatra rehetra sady voatandrina; Fa ny famonjena ahy rehetra sy ny iriko rehetra, moa tsy hampitsimohiny va? 6 Fa ny tena ratsy fanahy rehetra kosa dia tahaka ny tsilo ariana, Fa tsy azo raisin'ny tanana izy; 7 Ary ny olona izay mikasika azy Dia tsy maintsy mitondra vy sy zaran-defona*; Ary hodorana amin'ny afo avokoa amin'izay itoerany ireny.[Heb. feno vy sy zaran-defona]

2Samoela 23,1-7

Ny Fanahin’ Andriamanitra:

1-Fanahy mampiteny

« Ny Fanahin’i Jehovah no mampleny ahy: ary ny teniny no amin’ny lelako » hoy i Davida mpanjaka eto. Hitantsika eto amin’ny tantaram-piainan’i Davida hatrany amin’ny fiandohany (1Sam.16) ka hatreto amin’izao fiafarany izao fa nahazo sitraka tamin’ Andriamanira izy handimby an’i Saoly mba hanjaka amin’ny firenena Isiraely izay vahoaka masina ho Andriamanitra. Porofon’izany fankasitrahan’ Andriamanitra azy izany izao mbola ampitenenany aey amin’ny alalan’ny Fanahiny izao Raha toa kosa ka tsy mba toy izany no niafaran’ny fanjakan’i Saoly fa nialan’ny Fanahin’i Jehovah izy. Fomba fiasan’ Andriamanitra rahateo izany mifidy sy miantso olona manokana hampitondraina hafatra na irahina hamonjy ny vahoakany.

2-Fanahy mitarika ho ao amin’i Kristy

Ny votoatin’ny teny nambaran’i Davida eto dia azo ambara fa toy ny faminaniana manondro an’i Jesoa Mesia. Raha voafetra teo amin’ny firenena Isiraely ihany mantsy ny fahefana sy fanapahan’i Davida dia ambarany kosa eto ny hoe « Mpanapaka ny olona Marina Izy sady manapaka amin’ny fahatahorana an’ Andriamanitra; ary izany dia toy ny fahazavan’ny maraina ». Araka izany, na dia olona tena nankasitrahan’ Andriamanitra tokoa ary i Davida dia tsy fandokafan-tena na fitanisana izay zava-bita no nataony fa nitaona izao tontolo izao hibanjina an’i Jesoa Kristy satria ireo faminaiana ireo dia nohamafisin’i Jesoa ny fahatanterahany teo Aminy araka izay hita ao amin’ny Filazantsara

Fanontaniana

Ahoana no ambaran’ny Soratra Masina amintsika manoloana ny olona samihafa izay milaza azy ho ampitenenin’ny fanahy ?

FOIBE SEKOLY ALAHADY FJKM