Ny  fanafahan’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 30 Jolay 2020

EKSODOSY 5.1-15

EKSODOSY 5.1-15
1 [Ny nihaonan'i Mosesy sy Arona tamin'i Farao, sy ny nampitomboan'i Farao, ny fanompoan'ny Zanak'Isiraely] Ary rehefa afaka izany, Mosesy sy Arona dia nankao amin'i Farao ka niteny taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Alefaso ny oloko mba hanao andro firavoravoana ho Ahy any an-efitra. 2 Fa hoy Farao: Iza moa Jehovah, no hekeko teny handefasako ny Isiraely? tsy fantatro izay Jehovah, ka tsy halefako ny Isiraely. 3 Ary hoy izy roa lahy: Andriamanitry ny Hebreo efa nihaona taminay; koa trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitray; fandrao Izy hamely anay amin'ny areti-mandringana, na amin'ny sabatra. 4 Ary hoy ny mpanjakan'i Egypta taminy: Nahoana ianareo, ry Mosesy sy Arona, no manaketraka ny olona amin'ny asany? mandehana any amin'ny fanompoanareo mafy. 5 Ary hoy koa Farao: Indro, efa maro ankehitriny ny olona eto amin'ny tany, ka ianareo mampitsahatra azy amin'ny fanompoany mafy. 6 Ary tamin'izany andro izany Farao nandidy ny mpampiasa ny olona mbamin'ny mpifehy azy ka nanao hoe: 7 Aza omenareo mololo hanaovana biriky tahaka ny teo aloha intsony ny olona; fa izy ihany no aoka handeha hanangona mololo ho azy. 8 Kanefa ny isan'ny biriky izay fanaony teo aloha dia mbola hampanaovinareo azy ihany, fa aza ahenanareo; fa malaina izy, koa izany no itarainany hoe: Aoka izahay handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an'Andriamanitray. 9 Hamafio ny fanompoan'ny olona mba hifotorany amin'izany, fa aza avela hihaino izay lainga foana izy. 10 Dia nivoaka ny mpampiasa ny olona mbamin'ny mpifehy azy ka niteny tamin'ny olona nanao hoe: Izao no lazain'i Farao: Izaho tsy mba hanome mololo anareo intsony; 11 fa mandehana ianareo ka manangona mololo any amin'izay hahitanareo, satria tsy hahena ny fanompoanareo na dia kely akory aza. 12 Dia niely eran'ny tany Egypta rehetra ny olona mba hifako vodivary ho solon'ny mololo. 13 Ary ny mpampiasa nandodona azy ka nanao hoe: Vitao ny asanareo, izay anjara-fanompoana isan'andro, tahaka ny fony mbola nisy mololo ihany. 14 Ary ny mpifehy ny Zanak'Isiraely, izay notendren'ny mpampiasa avy amin'i Farao mba hifehy azy, dia nokapohina ka nanontaniana hoe: Ahoana no tsy nahavitanareo ny anjaranareo tamin'ny fanaovana ny biriky omaly sy androany, tahaka ny teo aloha ? 15 Dia nankao amin'i Farao ny mpifehy ny Zanak'Isiraely ka nitaraina taminy hoe: Nahoana no manao toy izany amin'ny mpanomponao ianao?

Ny  fanafahan’Andriamanitra

1-Mikendry  fanompoana  Azy

« Alefaso  ny oloko  mba hanao  andro  firavoravoana ho  Ahy  any anefitra » (and1)

Raha nirahina ho any amin’i Farao  i Mosesy  sy  Arona hangataka azy mba handefa  ny Zanak’Israely , dia mazava  tsara ny antony  fa « hanao  andro  firavoravoana » ho an’i Jehovah. Sarotiny  tamin’izany  Andriamanitra  satria ny zanany  dia tsy maintsy  manompo  Azy  (4.23) ary izany  no antony hanafahany  azy  amin’ny fanandevozana . Noho  izany  , ny olona afaka no manompo  an’Andriamanitra , fa tsy olona mbola voageja , ary  mbola hita  izany  tamin’ny nanomezany  an’i Jesoa Kristy  nanafaka antsika  tamin’ny fahotana , mba hahazoantsika manompo  Azy  ankalalahana  .

2-Mampitombo  ny fahatezeran’ny tsy mino

« Hamafio ny fanompoan’ny olona mba hifotorany amin’izany , fa aza avela hihaino  izay lainga foana »  (and9) . Didy  navoakan’ i Farao  nampitaina  tamin’ny mpampiasa sy ny  mpifehy  hanamafisana ny fampahoriana  taorian’ny fangatahana nataon’i Mosesy  sy Arona taminy  hanafahana ny Zanak’Israely  tsy  ho andevo  intsony  fa hanompo  an’Andriamanitra . Vao mainka  nanamafy  ny fony  i Farao  ka nampahory  ny vahoaka noho  ny fandrenesany  ny fanafahana  ataon’Andriamanitra . Mampitombo  ny fahatezeran’ny ratsy  fanahy  ny fandrenesany  ny fanafahana ataon’Andriamanitra . Toy izany  ihany koa , rehefa vita ny  famonjena sy  fanafahana nataon’i Jesoa  Kristy  dia vao mainka tezitra ny  devoly  mba hisehoan’ny herin’Andriamanitra .

Fanontaniana :

Olona afaka ianao  , inona ny fanompoana  ataonao amin’Andriamanitra ?

Sampana  Sekoly Alahady  FOIBE  FJKM