Ny fanadiovan’Andriamanitra ny maloto
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 15 Janoary 2022
Levitikosy 14. 1 - 9
Levitikosy 14. 1 - 9
1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 2 Izao no lalàna ny amin'ny boka amin'ny andro fanavotana azy: ho entina any amin'ny mpisorona izy; 3 dia hivoaka eny ivelan'ny toby ny mpisorona ka hizaha azy; Ary raha hitany fa sitrana amin'ny habokany ny boka, 4 dia vorona roa velona sady madio sy hazo sedera sy jaky ary hysopa no hasain'ny mpisorona ho an'ilay hodiovina; 5 Ary hasainy hovonoina ny vorona anankiray eo ambonin'ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin'ny rano mandeha; 6 Ary halainy ny vorona velona sy ny hazo sedera sy ny jaky ary ny hysopa, dia hatsobony ireo mbamin'ny vorona velona eo amin'ny ran'ny vorona izay novonoina teo ambonin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha. 7 Dia hofafazany impito ilay hodiovina ho afaka amin'ny habokany ka hataony hoe madio, ary halefany ny vorona velona. 8 Ary ilay hodiovina dia hanasa ny fitafiany sy hanaratra ny volon-dohany rehetra ary handro amin'ny rano, ka hadio izy; ary rehefa faka izany dia hankeo an-toby izy, kanefa hitoetra eo ivelan'ny lainy hafitoana. 9 Ary amin'ny andro fahafito dia hanaratra ny volony rehetra izy, na ny volon-dohany, na ny somony, na ny manja-masony; ny volony rehetra hoharatany avokoa ary hanasa ny fitafiany izy sady handro amin'ny rano, dia hadio izy.Ny fanadiovan’Andriamanitra ny maloto
1- Amin’ny alalan’ny mpisorona
Ny olona boka dia nataon’ny lalàna ho « tsy madio« . Ny olona tratran’izany aretina izany dia atokana toerana hisaraka amin’ny olona salama (Lev 13.14). Tsy maintsy mitoka-monina izy ireo, ary raha sendra mivoaka ny tànanany, dia tsy maintsy niala satroka sy nitafy lamba triatra mba hahalan’ny olona azy. Ary raha nifanena tamin’olona dia niantso hoe : « Maloto e! Maloto e!« . Mahatsiaro ho tafasaraka amin’Andriamanitra sy amin’ny mpiara-belona ny olona iray tratry ny habokana. Ny hamerina amin’ny laoniny izany fisarahana izany no kendren’Andriamanitra. Manana andraikitra amin’ny fitsaboana ny marary hoditra ny dokotera amin’ny maha mpitsabo azy. Rehefa sitrana amin’ny aretina ny marary, dia mbola misy koa ny andraikitry ny mpisorona. Raharahan’ny mpisorona ny miadidy ny fitandremana ny didy rehetra ny amin’ny boka, sady izy ireo ihany no hatonin’ny boka rehefa sitrana mba hanaitra izay fanatitra voatendrin’ny lalàna.
2- Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy
Tsy ny marary hoditra ihany akory no maloto. Tsarovy fa ny fahotana no efitra mampisaraka antsika amin’Andriamanitra, sady manimba ny fifandraisantsika amin’ny olombelona toa antsika. Ary izany fahotantsika izany dia fahalotoana eo anatrehan’Andriamanitra mihoatra noho ny aretina hita maso. Izay rehetra tsy mibebaka dia « madio ivelany ». Ny fanantonantsika an’i Jesoa Kristy no manafaka sy manadio antsika amin’ny fahalotoana vokatry ny fahotana rehetra. Izy no Mpisoronabe, izay nanao fanatitra ny tenany indray mandeha monja ka manadio sy manamarina antsika eo anatrehan’Andriamanitra.
Fanontaniana :
Efa nanatona an’i Jesoa ve ianao mba hodioviny ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM