Ny fampianaran’i Jesoa Kristy

Mofonaina anio: Talata, faha 09 Febroary 2021

LIOKA 5.1-11

LIOKA 5.1-11
1 Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin'Andriamanitra, dia nijanona teo amoron'ny Farihin'i Genesareta Jesosy; 2 ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin'ny farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony. 3 Ary niditra teo amin'ny sambokely anankiray izay an'i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin'ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka. 4 Ary rehefa nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy tamin'i Simona: Mandrosoa ho any amin'ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano. 5 Fa Simona namaly ka nanao hoe: Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato. 6 Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony. 7 Ary izy nanatsika ny namany, izay teo amin'ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika. 8 Ary rehefa hitan'i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho. 9 Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben'ny hazan-drano izay azony. 10 Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin'i Simona. Dia hoy Jesosy tamin'i Simona: Aza matahotra; hatramin'izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao. 11 Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an'i Jesosy.

Ny fampianaran’i Jesoa Kristy

1-Mahaliana ny olona

Hoy ny voalaza eto : « nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny Tenin’ Andriamanitra « . Midika izany fa olona marobe tokoa no nangetaheta Tenin’ Andriamanitra , te- hihaino ny fampianaran’i Jesoa . Ny Filazantsara dia maneho amintsika fa tamin’ izay toerana rehetra nalehan’i Jesoa dia vahoaka marobe hatrany no niandry Azy , hihaino ny fampianarany .

2-Mitondra vahaolana amin’ny fiainana

Mba hahafahan’i Jesoa manao fampianarana dia nampiasainy ny sambokelin’iPetera . I Petera izay nanana olana satria nanarato nandritry ny alina , kanefa tsy nahazo . Fanaratoana no asany . Io no miantoka ny fiainany . Fantatr’i Jesoa ny olana nodiaviny . Koa nanome baiko Izy mba handroso amin’ny lalina sy handatsaka ny haratony i Petera . Rehefa nino ka nankato ny Tenin’i Jesoa i Petera dia nahazo tokoa . Mamaha olana ny Tenin’i Jesoa .

3-Manavao izay mandray azy

Noho ny fahitan’i Petera ny vokatra azony dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa izy , niaiky heloka izy . Na dia niangavy an’i Jesoa hiala aza i Petera noho izany (and 8) dia indro i Jesoa miasa nanova ny tantarany . Ilay Petera mpanarato dia nantsoin’i Jesoa ho mpanara-dia Aminy , ho mpiara-miasa Aminy , ho mpiara-miasa Aminy hitaona olona ho ao amin’ny famonjena . Ny olona mahay mihaino sy mandray ny fampianaran’i Jesoa Kristy dia mihavao mandrakariva .

Fanontaniana :

Mbola mahaliana ny olona ve ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra ankehitriny ? Nahoana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM