Ny famoriam-bokatra ho an’ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 11 Oktobra 2025
Sal 135.1-3 / Hira 6 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 470.1,4
Matio 4,18 - 22
18 Ary nony nitsangantsangana teny amoron'ny Ranomasin'i Galilia Jesosy, dia nahita olona mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nanarato teny amin'ny ranomasina; fa mpanarato izy. 19 Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo. 20 Dia nandao ny harato niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy. 21 Ary raha mbola nandroso Izy, dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia Jakoba zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, izay niara-nipetraka tamin'i Zebedio rainy teo an-tsambokely ka namboatra ny haratony; ary niantso azy mirahalahy Izy. 22 Dia nandao ny sambokely sy ny rainy niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy.
Matio 4. 18-22
Ny famoriam-bokatra ho an’ny Tompo dia:
1-Miatomboka amin’ny fiantsoana
Voarakitra ao amin’ny Filazantsara ny tantara niantsoana ireo mpianatra voalohany teo amin’ny asa fanompoana. Jesoa no niantso azy tany amin’ny toerana izay nahitany azy avy; mba hiofana sy hanohy ny asa izay natombony. Mpanjono Galiliana i Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny. Izy ireo no niantefan’ny antso eto, ka hoy Jesoa taminy: « Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo » (and19). Tsarovy fa manomboka teo amin’ny fotoana nandraisanao ny antson’ny Tompo no anombohan’ny famoriam-bokatra ho an’ny Tompo. Nantsoiny isika ho mpiara-miasa Aminy. Izay namaly ny antsony sy vonona hanao ny sitrapony dia afaka miteny an-kahalalahana tsy misy fanerena hoe: « Inty aho, iraho aho ».
2-Mahay mandao ny zavatra rehatra
Rehefa niantefa tamin’izy ireo ny Tenin’i Jesoa dia nilaozany avy hatrany ny asa fivelomany. Nahafoy ny zavatra rehetra izy ireo ka nanaraka an’i Jesoa. Marihina fa nandray ny hery vaovao avy amin’llay niantso azy izy ireo mba hahavitany ny asa vaovao izay anirahana azy (hanarato olona). Tsy maintsy mahay mandao ny teo aloha izy ireo, ary manaiky ny fahefana omen’i Jesoa azy, satria hitondra ny olona ho ao amin’ny fanjakankAndriamanitra. Isika koa dia antsoin’Andriamanitra hamory ny vokatra, ka mila mahay mandao, ary manaiky ny asa vaovao izay niantsoan’ny Tompo antsika, dia ny hitaona olona ho amin’ny Vaovao Mahafaly, hilaza fa i Jesoa ilay notendren’ Andriamanitra ho mpamonjy izao tontolo izao.
Fanontaniana:
Ahoana ny amaritanao ny hoe: Kristiana mahay mandao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe