Ny famoahan’i Jesoa ny demonia

Mofonaina anio: Alarobia, faha 21 Mey 2025

(Sal 28, 6-9 / Hira 7.1-2 / Vavaka / Mojonaina / Vavaka / Hira 54, 1-2)

Matio 12.22-30
22 Dia nentina tany amin'i Jesosy ny lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana; dia nositraniny, ka dia niteny sy nahita ilay moana. 23 Dia talanjona ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Moa Ity va Ilay Zanak'i Davida? 24 Fa nony ren'ny Fariseo izany, dia hoy izy: Tsy misy amoahan'ilehiny ny demonia, afa-tsy Belzeboba, lohan'ny demonia. 25 Ary Jesosy nahalala ny eritreriny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano. 26 Ary raha Satana no mamoaka an'i Satana, dia miady an-trano izy; ka ahoana no haharetan'ny fanjakany? 27 Ary raha Belzeboba no amoahako ny demonia, iza kosa no mba amoahan'ny zanakareo azy? ary noho izany dia izy ihany no ho mpitsara anareo. 28 Fa raha ny Fanahin'Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan'Andriamanitra. 29 Fa hataon'ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon'ny mahery handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ny mahery? dia vao handroba ny ao an-tranony izy. 30 Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.

Ny famoahan’i Jesoa ny demonia

1- Manasitrana izay manantona Azy

Nentina teo amin’i Jesoa ny lelilahy iray izay nampahorian’ny demonia. Rehefa noroahin’i Jesoa izany dia sitrana ilay lehilahy ka sady lasa nahiratra no nahay niteny. Fahasoavana lehibe toy izany no vokatra sy azon’ny olona, raha manaiky izy fa ho roahin’i Jesoa ny devoly ao aminy. Tsaraovy fa rehefa misy olona roahina devoly dia mpiasa fotsiny ihany ilay mpiandry mandroaka devoly, fa i Jesoa mihitsy no manasitrana izay manantona Azy, ary fomba iray hahazoana fanasitranana ny fandroahana devoly.

2- Avy amin’ny Fanahy Masina

Ny Fanahy Masina no ambaran’i Jesoa fa entiny nandroaka ny herin’ny fanahy ratsy maha demoniaka, satria ny Fanahy Masina irery ihany no afaka mandresy izany. Ny fanahy mitovy tsy afaka mifandroaka. lo Fanahy Masina io dia tsy azo toherina na zimbazimbaina na tenenina ratsy fa tsy hahazoana famelan-keloka ny fanaovana izany. Tandrovy fatratra ny hosotra rehetra natao tamin’ny Fanahy Masina ao aminao.

3- Mampiditra ny olona ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra

Ny fanafahan’i Jesoa ny olona demoniaka dia manala ilay olona amin’ny fanjakana sy gejan’i satana ka mampiditra azy ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra, mba hananany fiainana tsara sy mahasoa ny tenany mbamin’ny manodidina azy. Tsaraovy fa i Jesoa dia mikatsaka izay hahatafiditra ny olona rehetra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

Fanontaniana:

Manaiky ny fanafahan’i Jesoa ve ianao mba hidiranao ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe