Ny fahoriana atrehina amin’ny finoana
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 12 Desambra 2020
JAONA 11.21-27
JAONA 11.21-27
21 Ary hoy Marta tamin'i Jesosy: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko. 22 Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza na inona na inona no hangatahinao amin'Andriamanitra dia homen'Andriamanitra Anao. 23 Hoy Jesosy taminy: Hitsangana ny anadahinao. 24 Fa hoy Marta taminy: Fantatro ihany fa hitsangana izy amin'ny fitsanganan'ny maty amin'ny andro farany; 25 Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. 26 Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao? 27 Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra, Ilay ho tonga amin'izao tontolo izao.Ny fahoriana atrehina amin’ny finoana
1-Ambara amin’i Jesoa
Ny zava-dehibe eto amin’izao Perikopa izao dia mampahatsiaro antsika fa ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy dia tsy midika ho tsy fisian’ny fahoriana tsy akory . Manome fianarana ho antsika kosa ny amin’izay ahafahantsika miatrika izany . I Marta no maneho eto fa azo atao , ary tokony hatao mihitsy aza ny milaza amin’i Jesoa Kristy izay rehetra manavesatra ny fo ka mahatonga alahelo , ary hita amin’ny resaka nifanaovany tamin’i Jesoa rahateo fa mihaino Izy ka mamaly izany fitaraina’ny olony izany . Ho antsika àry , andeha hihazakazaka hanatona an’iJesoa . Mialohan’ny zava-drehetra , ary aoka tsy hiandry olana ihany vao hidodododo, fa ny fiainana manontolo mihitsy no ento ho eo Aminy.
2-Anaovana ny fanekem-pinoana
Rehefa nambaran’i Jesoa fa « Izy no fananganana ny maty sy fiainana » dia tsy misalasala na nihambahamba kely akory i Marta , fa avy hatrany dia namaly ny fanontanian’i Jesoa ka nanaiky fa Izy no « Kristy Zanak’ Andriamanitra » . Mazava tsara ny filaharan’ny zava-mitranga eto , fa mino aloha vao mahita ilay asa mahagaga hanehoan’Andriamanitra ny Voninahiny , izany hoe : « finoana avy amin’ny Tenin’i Kristy « . Koa raha tojo fahoriana na olana saro-bahana isika dia aoka tsy ho maika fotsiny hitady vahaolana , fa hahatsiaro mandrakariva koa ny fanavaozana indray ny fanekena fa i Jesoa Kristy no Tompo sy mpanefa ny finoantsika .
Fanontaniana :
Ahoana ny niatrehanao ny olana hatramin’izay ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM