Ny Fahendrena avy amin’Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny Kristiana

Mofonaina anio: Alarobia, faha 27 Novambra 2024

Jakoba 3.13-18

Jakoba 3.13-18
13 Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin'ny fitondran-tena tsara ny asany amin'ny fahalemem-panahin'ny fahendrena. 14 Fa raha misy fialonana mirehitra* sy fifampiandaniana ao am-ponareo, aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina. [* Gr. mangidy] 15 Izany fahendrena izany dia tsy ny avy any ambony, fa araka ny et? an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an'ny demonia. 16 Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin izay asa ratsy rehetra. 17 Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy miahanahana* na mihatsaravelatsihy. [* Na: miangatra] 18 Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin'ny fihavanana ho an'izay mampandroso ny fihavanana*. [* Na: Izay mampandroso ny fihavanana no mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin'ny fihavanana]

1- Ny Kristiana dia tokony ho manana fahalemem-panahin’ny fahendrena (and 13)

Ny fiainan’ny Fiangonana dia tsy ilaozan’izay Kristiana maneho ny tenany ho hendry sy masina ary tsy manan-tsiny ary alaim-panahy hitsara ny namany amin’ny hasiakana. Toy izany no nitranga tao amin’ity Fiangonana izay tian’i Jakoba mpanoratra ambara ity. Mety misy tokoa izany ankehitriny saingy tsy afaka ny hitsara ny namana isika satria samy mpanota avokoa saingy ny endrim-pahotana no tsy mitovy. Ary manaraka izany indrindra dia tokony halemy fanahy amin’ny namana ihany koa. Misy Soratra Masina manao hoe: «Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa fahamarinana » Galatiana 5.22.

2- Ny Kristiana ihany koa dia tokony ho tia fahadiovam-panahy, sy fahadiovana ivelany

Izany hoe tsy mankafy fahotana sy ny fahavoretrana. Ny Kristiana koa dia tokony ho tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindram-po, be vokatsoa izany hoe mizara zava-mahasoa ny ara-panahin’ny olona sy ara-batana ary ny ara-tsainy.

Fanontaniana

Efa mba iainatsika avokoa ve?

Sampana Sekoly Alahady Foibe