Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra dia
Mofonaina anio: Alarobia, faha 08 Febroary 2023
MARKA 1.21-28
MARKA 1.21-28
21 Ary nankany Kapernaomy izy ireo; nony tamin'ny Sabata, dia niditra tao amin'ny synagoga niaraka tamin'izay Jesosy ka nampianatra. 22 Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna. 23 Ary niaraka tamin'izay dia nisy olona teo amin'ny synagogany, izay azon'ny fanahy maloto; ary niantso mafy ralehilahy 24 ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao. 25 Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao ka mivoaha aminy. 26 Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan'ilay marary, dia niantso tamin'ny feo mahery ka niala taminy. 27 Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy. 28 Ary ny lazany dia niely niaraka tamin'izay teny tontolo eny tamin'ny tany rehetra eran'i Galilia.Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra dia
mampihorohoro ny fanahy maloto (and24-25)
Ao anatina toriteny na fampianarana dia efa talanjona aloha ny olona ny amin’ny fampianarany satria misy fahefana ny teniny fa tsy mba toy ny an’ireo mpanora-dalàana sy Fariseo .Ireo mantsy rahefa mampianatra dia mitanisa tenina mpandinika na olo-kendry fotsiny no ataony , fa i Jesoa kosa dia tsy mba toy ireny satria Izy no Mpanjakan’ireny mpandinika sy olo-kendry ireny . Tao anatin’izany fampianarana izany indrindra dia tsy nahazaka intsony fa nihorohoro ny fanahy maloto noho ny fahefana ananan’i Jesoa tao amin’ny fampianarany hany ka nampihetsika ilay lehilahy iray .Efa tsy zakany intsony ny herin’ny fahefan’i Jesoa ka nihorohoro izy ka niteny hoe: « moa mifaninona akory izaho sy ianao ry Jesoa avy any Nazareta ? avy handringana anay va ianao ? fantatro fa Ilay masin’Andriamanitra ianao .« Ary ny Tenin’i Jesoa no nandroahany ilay fanahy maloto dia niala izany .Soa ny Tenin’Andriamanitra ,satria miy fahefana ka afaka mifehy ny tontolon’ny fanahy .Izany anefa dia tsy hain’izao tontolo izao mihitsy na inona na inona fahaizany na fari-pahalalany.Ny tontolo ara-pahatsapana ihany no mba azony fehezina raha voafehiny , fa ny ara-panahy dia mitazana fotsiny no ataony .Jesoa Tompo no mahery indrindra , satria hoy Izy ao amin’ny Matio 28.18 « efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany« .Izany no mahatonga ny fanahy maloto rehefa miteny Izy satria manam-pahefana Izy
Fanontaniana:
Ahoana ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra aminao rehefa toriana ny Teniny .Manam-pahefana ve Izy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM