Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 16 Febroary 2023
JAONA 11.38-46
JAONA 11.38-46
38 Dia vonto indray ny fanahin'i Jesosy ka nankeo amin'ny fasana Izy; ary zohy izany, sady nisy vato narindrina teo. 39 Hoy Jesosy: Esory ny vato. Hoy Marta, anabavin'ny maty, taminy: Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay. 40 Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra? 41 Dia nesoriny ny vato. Ary Jesosy dia nanandratra ny masony ka nanao hoe: Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao. 42 Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Hianao; fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka Ahy. 43 Ary rehefa nanao izany teny izany Izy, dia niantso tamin'ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy, mivoaha! 44 Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin'ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha. 45 Ary maro tamin'ny Jiosy, dia ireo nankeo amin'i Maria ka nahita ny zavatra nataon'i Jesosy ireo, no nino Azy. 46 Fa ny sasany tamin'ireo kosa dia lasa nankany amin'ny Fariseo ka nilaza taminy izay nataony.Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra
1-Manamarina ny asa ataony
Nisy adihevitra teo amin’i Jesoa sy i Marta ny amin’ny zava-mitranga dia ny fahafatesan’i Lazarosy anadahiny . Ary hita mihitsy aza ny fisian’ny tsy fifankahazoan-dresaka ny amin’ny fitsanganan’i Lazarosy amin’ny maty ( vakio and23-24) .Misy fotoana isika tsy mety mino izay ambaran’ny Tenin’Andriamanitra , satria manana izay efa milafika sy arafitry ny fahalalantsika ao an-tsaintsika ao . Ka na dia ny Tenin’Andriamanitra aza dia toa lavintsika ny fahamarinany . Manamarina ny asam-pamonjena ataon’i Jesoa eto ny fahefan’ny Teniny nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty .
2-Mamoaka antsika anaty fasana
Lazarosy tao am-pasana no nantsoin’i Jesoa tamin’ny feo mahery .Efa tsy niara-niaina tamin’ny fianakaviany intsony i Lazarosy satria efa tany amin’ny fitoeran’ny maty .Moa tsy sarintsika va izany ? Isika maty noho ny fahotantsika , anisan’ny voaheloka satria tsy nanao izay sitrapon’Andriamanitra .Isika no itenenan’i Jesoa ihany koa hoe : MIVOAHA ! Fa Lazarosy nandre ka nivoaka fa isika kosa dia maro no tamana anaty ota ka tsy te-hitsangana ao mba hanatona an’i Jesoa . Ny Tenin’Andriamanitra ihany no afaka hanafaka antsika .
Fanontaniana:
Inona no ota mbola mihazona anao tsy hanatona ny Tompo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM