Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Talata, faha 21 Febroary 2023
1 PETERA 1.13-25
1 PETERA 1.13-25
13 [Famporisihana hitondra tena mifanaraka anim'ny filazantsara] Koa amin'izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy; 14 tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin'ny tsi-fahalalanareo; 15 fa araka ny fahamasinan'ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin'ny fitondran-tena rehetra, 16 satria voasoratra hoe: "Ho masina ianareo, satria masina Aho" (Lev. 11.44). 17 Ary raha Ilay tsy mizaha tavan'olona, fa mitsara araka ny asan'izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin'ny fahatahorana mandritra ny andron'ny fivahinianareo et? ; 18 fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin'ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin'ny nentin-drazana, 19 fa ny rà soan'i Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina; 20 Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, fa efa naseho tamin'izao andro farany izao noho ny aminareo 21 Izay mino an'Andriamanitra amin'ny alalany, dia Ilay nanangana Azy tamin'ny maty ka nanome voninahitra Azy,- mba hiorenan'ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin'Andriamanitra. 22 Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin'ny fanarahana ny fahamarinana ho amin'ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra dia mifankatiava fatratra amin'ny fo*; [* Na:(amin'ny fo madio)] 23 fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin'ny voa mety ho lò, fa tamin'ny tsy mety ho lò, dia ny tenin'Andriamanitra, izay velona sady maharitra. 24 Fa "ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin'ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny; 25 Fa ny tenin'ny Tompo maharitra mandrakizay" (Isa. 40.6 - 8). Ary izany no tenin'ny filazantsara izay notorina taminareo.Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra
1-Mitondra ho amin’ny fahamasinana (and16)
Ny hoe : masina dia izay voatokana sy natokana ho an’Andriamanitra .Anisan’izany isika izay mianatra sy mandray ny teniny . Fa ny Tenin’Andriamanitra raha raisina sy hiainana dia mitarika antsika ho rikorikom-pahotana . « Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran’ny fahalalana ny zavatra rehetra , ka ataoko ho taimboraka ireny mba
hahazoako an’i Kristy » (Fil 3.8).Rehefa nandray ny teny i Paoly dia niova fijery ka nahafoy ny ratsy fanaony .
2-Maharitra mandrakizay (and 24-25)
Raha mitahiry ny Tenin’ ny Tompo ao am- po isika dia hanova ny fiainantsika izany. Mifindra amintsika ny herin’ ny Tenin’ Andriamanitra . Mazava ny and 23 « fa efa teraka indray ianareo , tsy tamin’ ny voa mety lo , fa tamin’ ny tsy mety ho lo dia ny Tenin’ Andriamanitra izay velona sady maharitra ». Vonjy maika sy mandalo izao fiainana izao. , na dia izay heverin’ ny olona ho voninahitra aza..Eny, tsy haharitra fa handalo ihany izany, fa izay manao ny sitrapon’ Andriamanitra , izany hoe : izay mankato ny teniny no haharitra mandrakizay .(1 Jaona 2.17)
Fanontaniana
Inona eo amin’ ny fiainanao no efa ananan’ Andriamanitra fahefana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM