Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alarobia, faha 22 Febroary 2023
LIOKA 5.1-11
LIOKA 5.1-11
1 Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin'Andriamanitra, dia nijanona teo amoron'ny Farihin'i Genesareta Jesosy; 2 ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin'ny farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony. 3 Ary niditra teo amin'ny sambokely anankiray izay an'i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin'ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka. 4 Ary rehefa nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy tamin'i Simona: Mandrosoa ho any amin'ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano. 5 Fa Simona namaly ka nanao hoe: Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato. 6 Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony. 7 Ary izy nanatsika ny namany, izay teo amin'ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika. 8 Ary rehefa hitan'i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho. 9 Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben'ny hazan-drano izay azony. 10 Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin'i Simona. Dia hoy Jesosy tamin'i Simona: Aza matahotra; hatramin'izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao. 11 Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an'i Jesosy.Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra
1-Ahazoam-bokatra
Efa hatry ny alina , hoy i Petera no tsy nahita vokatra tamin’ny fisasarana izy ireo, kanefa mbola asain’ny Tompo mamerina indray ny fanaratoana , sady efa vizaky ny asa alina no trotraky ny tsy fahombiazana izay nitranga no mbola asaina miverina manarato indray . Raha ny marina dia nanaiky tsy sazoka i Petera eto : « noho ny teninao dia halatsako ihany » . Maro ny zava-mahakivy tsy ahitantsika fahombiazana . Antsoy Andriamanitra ary asaivo miteny hitondra antsika amin’ny fahombiazana .
2-Ahazoana asa vaovao
Raha ianao no mangata-bavaka amin’ny Mpitandrina hoe : ento ambavaka ity asako ity ka tonga mandeha be ilay asanao . Hiala na hanary ilay asa ve ianao ka hanao hoe : avelako eo ity asa ity fa andeha hitory ny Filazantsara aho ? Valiny : TSIA ,fa jereo i Petera : nafoiny ny zavatra rehetra fa nanaraka an’iJesoa izy . Ary asa fanaratoana olona no natolotry ny Tompo azy . Ny fanaratoana trondro dia manala ny trondro ao anaty fahavelomany ka mitondra azy ety an-tanety dia maty izy . Ny fanaratoana olona kosa dia manala ny olona amin’ny fahafatesana ka mitondra azy amin’ny fahavelomana .
Fanontaniana:
Ahoana re no ataonao raha teo amin’ny toeran’i Petera ianao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM