Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanira eo amin’ny olona dia mahatratra ny aretin’ny nofo (and39)

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 02 Febroary 2023

LIOKA 4.38-41

LIOKA 4.38-41
38 Ary nony nitsangana niala tao amin'ny synagoga Jesosy, dia niditra tao an-tranon'i Simona. Ary azon'ny tazo mafy ny rafozam-bavin'i Simona; ary izy ireo nangataka taminy hahasitrana azy. 39 Dia nitsangana teo akaikiny Izy, ka noteneniny mafy ny tazo, dia niala tamin-dravehivavy izany; ary nitsangana niaraka tamin'izay izy ka nanompo azy ireo. 40 Ary raha nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary tamin'ny aretina samy hafa dia nitondra azy teo aminy; ary dia nametra-tanana tamin'izy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana azy. 41 Ary nisy demonia nivoaka tamin'ny maro ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra. Nefa norarany ireo ka tsy navelany hiteny, satria nahalala Azy ho Kristy.

Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanira eo amin’ny olona dia mahatratra ny aretin’ny nofo (and39)

Ilay rafozam-bavin’i Petera dia tao an-tranony satria mety ho mpitondrantena ka lasa adidin’i Petera .Fomba fanasitranana mety tsy mahazatra ireo izay voatokana ho amin’ny fitsaboana ity fomba nanasitranan’i Jesoa ny rafozam-bavin’i Petera ity. Izao mantsy no voalaza : » Dia nitsangana teo akakiny izy ka noteneniny mafy ny tazo dia niala tamin-dravehivavy izany » . Io tenin’i Jesoa io dia nanome baiko tamin’ny feo avo ny tazo ,dia niala tokoa izany . Ny tazo nahazo ity vehivavy ity dia tao amin’ny nofony , ny vanintaolany. Hay manana fahefana amin’izay manjo ny nofo ny Tenin’i Jesoa .Tanteraka ilay teny ao amin’ny Ohabolana 4.22 « fa aina ho an’izay mahazo azy izy ary fahasalamana ho an’ny nofony rehetra »

Ry havana, indraindray mihevitra fa ny dokotera ihany no mahay manasitrana , dia hoy isika amin’izany hoe : tsy misy idiran’ny fivavahana ny aretina .Tsia , diso be isika ,manana fahefana handroaka ny aretina manjo antsika ny Tenin’i Jesoa . Raha toa harary isika amin’ny ho avy na dia tsy maintsy handeha dokotera aza,mialoha izany mivavaha aloha ka ento am-bavaka ny aretinao ,mihavàna amin’Andriamanitra aloha. Misy fotoana anie ny dokotera na dia manam-pahaizana aza dia mety tsy mahita ny fototra aretina manjo antsika e! satria fahefan’Andriamanitra ny manasitrana antsika fa tsy fahefan’olombelona. Izy rahateo no Tompon’ny aina .

Fanontaniana :

Rehefa marary ianao , iza no antsoinao voalohany mba hidodododoana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM