Ny fahefan’i Jesoa

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 17 Aprily 2023

JAONA 2.13-22

JAONA 2.13-22
13 Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy, ka dia niakatra tany Jerosalema Jesosy. 14 Ary hitany teo an-kianjan'ny tempoly ny nivarotra omby sy ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola izay nipetraka teo; 15 dia nanao kotopia kofehy Izy ka nandroaka azy rehetra hiala teo an-kianjan'ny tempoly, na ny ondry na ny omby, ary nararany ny volan'ny mpanakalo vola, sady nazerany ny latabatra; 16 dia hoy Izy tamin'ny nivarotra ny voromailala: Ento mivoaka ireto zavatra ireto; aza atao trano fivarotana ny tranon'ny Raiko. 17 Ary ny mpianany nahatsiaro fa voasoratra hoe: Ny firehetako ny amin'ny tranonao no haharitra aina ahy (Sal. 69. 9). 18 Fa namaly ny Jiosy ka nanao taminy hoe: Inona no famantarana asehonao aminay, no manao izao zavatra izao Hianao? 19 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ravao ity tempoly ity, ary amin'ny hateloana dia hatsangako indray izy. 20 Fa hoy ny Jiosy: Enina amby efa-polo taona izay no efa nanaovana ity tempoly ity, ka Hianao va hahatsangana azy amin'ny hateloana? 21 Fa ny tenany no tempoly nolazainy. 22 Ary koa, rehefa nitsangana tamin'ny maty Izy, dia tsaroan'ny mpianany fa efa nilaza izany Izy; ary dia nino ny Soratra Masina sy ny teny izay nolazain'i Jesosy izy.

Ny fahefan’i Jesoa

1-Fahefana manova tantara

« Ento mivoaka ireto zavatra ireto . Aza atao fivarotana ny tranon’ny Raiko » (and16).Ilay toerana natao hanovozana aim-panahy,hikolokoloana finoana no nanjary lasa tsena fifanakalozana ,najary fanaovana takalo sy fakana tombom-barotra .Tsy eken’i Jesoa izany . Ovain’i Jesoa ny tantara ary apetrany amin’ny toerana mendrika azy ny kianjan’nytempoly .Tsy fitadiavana vola no olana fa ny toerana hanaovana azy sy ny toe-panahy manao izany .Raha hitady vola any ivelany araka ny voasoratra hoe: « ento mivoaka ireto ».Andeha hizotra amin’ny fanomezana maimaimpoana sy hikaroka loharanom-bola maharitra isika manombola izao .

2-Manangana indray

« Ravao ity tempoly ity ary amin’ny hateloana dia hatsangako indray izy » .Nalahatr’i Jesoa tamin’ny fanavaozana ny tempoly ny fanoharana momba ny hitsanganany afaka hateloana .Ilay tenan’ny olombelona izay fantatra amin’ny maha-nofo sy rà azy ,dia hainy ny manova azy ho tonga tempolin’ny Fanahy Masina anjakan’ny fahalovana sy ny fahafatesana dia hainy ny mahatonga izany ho olom-baovao . Ny herin’ny fitsanganany no mitondra fandresena goavana ho antsika

3-Mamelona finoana .

« …ary dia nino ny Soratra Masina sy ny teny izay nolazain’i Jesoa izy  » (and22) .Mamelona ny finaontsika ny fahatsapana fa tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy izay rehetra voalaza hatrany amin’ny Testamenta Taloha .Raiso amin’ny finoana ny Tenin’i Jesoa na dia tsy takatry ny sainao aza.

Fanontaniana :

Mitondra inona amin’ny mpino ny fahefan’i Jesoa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM