Ny Fahefan’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 06 Jona 2022
Isaia 45,9 - 13
9 Lozan'izay miady amin'ny namorona azy! Tavim-bilany isan'ny tavim-bilany amin'ny tany ihany ireny! Ny tanimanga va hilaza amin'ny mpanefy azy hoe: Inona no ataonao? Na ny asanao va hanao hoe: Tsy manan-tanana izy? 10 Lozan'izay miteny amin-drainy hoe: Inona no aterakao? Na amin-dreniny* hoe: Inona no aloaky ny kibonao? [Heb. ny vehivavy] 11 Izao no lazan'i Jehovah ny Iray Masin'ny Isiraely, dia ny namorona azy: Ny amin'ny zavatra ho avy no anontanio Ahy; ary ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany. 12 Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona eo amboniny; ny tanako ihany no namelatra ny lanitra sy nandahatra* ny eny aminy rehetra. [Heb. nandidy] 13 Izaho no nanaitra azy io tamin'ny fahamarinana, ary ny lalany rehetra dia haravoko avokoa; izy no hanao ny tanànako, ary ny oloko voababo dia halefany, nefa tsy amim-bola amin-karena, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

Ny Fahefan’Andriamanitra

1- Dia mahakasika ny zava-boariny (and 9,11,12)

Asehon’Andriamanitra eto ny fahatsinontsinon’ny olombelona izay mitovy amin’ny tavim-bilany mora vaky, nefa dia omeny fiainana. Asehony ihany koa fa izy no nanorina ny tany ka na dia mbola any am-pahababoana aza ireo mponin’i Joda ireo dia mbola ny asan’ny tanan’Andriamanitra ihany no itoerany. Midika izany fa hitan’Andriamanitra ny fahorian izy ireo

2- No mampahomby ny fitondran’ny mpitondra eto amin’izao tontolo izao (and 13a)

Any am-pahababoana ny Jiosy no mandray izao faminaniana mitondra fanantenana entin’i Isaia izao. Voalaza eto fa Jehovah mihintsy no manaitra an’i Kirosy mba hiady amin’ny i Babylona tamin’ny fahamarinana ary fahefana avy Aminy no hampahomby ny fitondram-panjakany sy ny adiny amin’io firenena lehibe namabo ny Jiosy io. Endrey izany herin’ny fahefan Andriamanitra! Mahatratra ny fitondrana ara-politika cto amin’izao tontolo izao mihitsy! Avy aminy ny fahefana!

3- Dia mihevitra indrindra izay hatao amin’ny vahoakany (and 13b, d)

Fitompolo taona no faharetan’ny fahababoana fa rehefa vita kosa izay, dia arenina ny rava ary Kyrosy no ilay voafidin Andriamanitra lunao izany. Tandindon’i Jesoa Kristy ilay Mpanjakan’ny mpanjaka hanangana ny olony izay voabahon ny fahotana io ka hampiarina azy ireo indray

Fanontaniana:

Fahefana manao alioana no fahefana noeritreretinao hatrizay

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM