Ny fahefana amin’ny sehatra samihafa eto an-tany

Mofonaina anio: Zoma, faha 02 Desambra 2022

ROMANA 13.1-7

ROMANA 13.1-7
1 Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin'Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin'Andriamanitra. 2 Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin'Andriamanitra; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana. 3 Fa ny mpanapaka dia tsy mba tahotry ny manao tsara, fa ny manao ratsy ihany. Ary ny tsy hatahotra ny fahefana va no tianao? Ataovy ary izay tsara, dia hahazo dera avy aminy ianao; 4 fa mpanompon'Andriamanitra izy hahatsara anao. Fa raha ratsy kosa no nataonao, dia matahora'fa tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon'Andriamanitra izy, dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin'izay manao ratsy. 5 Koa tsy maintsy manaiky ny olona, nefa tsy noho ny fahatezerana ihany, fa noho ny fieritreretana koa. 6 Fa noho izany no andoavanareo vola hetra; fa mpanompon'Andriamanitra mitandrina izany zavatra izany indrindra ireny. 7 Mandoava amin'izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an'izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an'izay tokony handoavana fadin-tseranana'tahotra ho an'izay tokony hatahorana, haja ho an'izay tokony hohajaina.

Ny fahefana amin’ny sehatra samihafa eto an-tany

Manolotra toromarika ho amin’ny fanajana ny mpitondra araka ny sokajiny avy iPaoly Apostoly .

1-Avy amin’Andriamanitra

Andriamanitra no Tompon’izao zavatra rehetra izao .Izy no manapaka sy mitondra.Mametraka olona mandrakariva Andriamanitra ho tomponandraikitra eo amin’ny sehatra samihafa ao anatin’ny fiaraha-monina Izy ho fandaminana amin’ireny sehatra samihafa ireny .Koa ny anjaran’ny mpino kristiana dia ny manaiky ny fitarihana sy ny fandaminana ataon’izay manana fahefana mitarika azy , araka ny sehatra misy azy.Aseho eto fa mariky ny fankatoavana ilay Andriamanitra nanolotra fahefana ireny mpitondra ireny .Meteza àry ho mpankato ilay Andriamanitra Tompon’ny fanjakana rehetra.

2-Mahasoa ny entina

Mametraka ireny tomponandraikitra amin’ny sehatra samihafa ireny Andriamanitra ,mba hahasoa ny fiainan’ny olona .Matahotra ny fitsara , ny famaizana ataon’ny mpitarila ny olona ka miezaka manao ny marina mandrakariva ,miezaka miaina araka ny sitrapon’Andriamanitra .Rehefa ao anatin’ny olona ny tahotra dia manaja sy miaina araka ny sitrapon’Andriamanitra izy . Tsy mahakasika azy ny fitsaran’ny tany nefa koa azo antoka fa tsy manameloka azy ily Andriamanitra ,Tompon’ny fanjakan rehetra ka manomana anjara lova tsara indrindra hatrany .

Fanontaniana :

Lazao ny toetra tokony hananana mba hahafahana manaja sy mankato ny tomponandraikitra samihafa.

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM