« Ny Fahazavan’ny marina dia tsara firehitra dia ny Jiron ‘ny ratsy fanahy ho faty »(and 9). Aoka hirehitra ny jironareo

Mofonaina anio: Talata, faha 23 Aprily 2024

Ohabolana 13:8-9

Ohabolana 13,8 - 9
8 Ny haren'ny olona dia avotry ny ainy; Fa ny levilevy tsy mampiraika ny malahelo akory. 9 Ny fahazavan'ny marina dia tsara firehitra*; Fa ny jiron'ny ratsy fanahy ho faty.[Heb. mifaly]

« Ny Fahazavan’ny marina dia tsara firehitra dia ny Jiron ‘ny ratsy fanahy ho faty »(and 9). Aoka hirehitra ny jironareo

1- Mamirapiratra tsara:

Miavaka amin’ny lafiny maro ny mpino. Voalaza eto fa « tsara firehitra », izany hoe: Mazava tsara, mateza, ny vokatry ny asany

Ny faharetany dia ahafahana sahady manavaka ny marina sy ny meloka, ny mpino sy ny jentilisa, araka ny voasoratra hoe: « Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra, ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria » (Dan 12, 3). Hita taratra amin’ny fianany andavanandro ny fahazavan’ny mpino. Ny fandehanana amin’ny fahamarinana sy fahamasinana, ny fitondran-tena mendrika, ny finoana miredareda, ny fahazotoana amin’ny fanompoana. Mijoro ho fanasina sy fahazavana hatrany ny mpino araka ny baikon’ny Tompo.

2-Aza avela hitsilopilopy

Misy tokoa ireo izay mitondra jiro hafahafa. Tsy mba mamelombelona finoana fa manozongozona, mitondra fampianaran-diso. Maro tamin’ireo izay nitondra fahazavana hafa ivelan’i Jesoa Kristy ireo no efa lefy niaraka tamin’ny foto-kevitra nentiny. Hatramin’izao dia misy hatrany ireny mitondra fahazavana sadasada izay mitaona ny hafa hiala amin’ny finoana an’i Jesoa Tompo. Tsy maintsy ho faty ireny jiro mitsilopilopy ireny. Zava-poana ihany ny fahazavana ivelan’ny Soratra Masina. Ilaina ny faharetana hatramin’ny farany amin’ny finoana.

Fanontaniana

Ahoona no mampiavaka ny fahazavana tena izy sy ny jiro sandoka?

Sampana Sekoly Alahady Foibe