Ny fahatongavan’ny Mesia

Mofonaina anio: Alarobia, faha 25 Desambra 2024

Mika 5.1-5

Mika 5.1-5
1 [Ny hahaterahan'ny Mesia, sy ny ho toetry ny fanjakany] Fa ianao, ry Betlehema Efrata, Izay kely tsy tokony ho isan'ny arivon'i Joda akory, Dia avy ao aminao no hivoahan'Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin'ny Isiraely; Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay. 2 Koa dia hatolony ireny, Ambara-pihavin'ny fotoana hiterahan'izay anankiray hiteraka; Ary izay sisa amin'ny rahalahiny dia hiverina mbamin'2* ny Zanak'Isiraely.[Na: ho any] 3 Ary hitsangana Izy hiandry ny ondriny amin'ny herin'i Jehovah. Sy amin'ny voninahitry ny anaran'i Jehovah Andriamaniny, Ka handry fahizay ireny, Fa izao dia ho lehibe hatrany amin'ny faran'ny tany Izy. 4 Ary Izy no ho fiadanana; Raha tonga eto amin'ny tanin-tsika ny Asyriana Ka miditra ao amin'ny tranobentsika, Dia hanangana mpiandry ondry fito sy mpanapaka valo hisakana azy isika. 5 Ary handany ny tany Asyria amin'ny sabatra Sy ny tanin'i Nimroda ao an-tanànany* ireo; Ary Izy hamonjy amin'ny Asyriana, Raha tonga amin'ny tanintsika sady manitsaka ato amin'ny fari-tanintsika ireny.[Heb. am-bavahadiny]

Ny fahatongavan’ny Mesia

Anisan’ny mpaminany nanambara mialoha ny hiavian’ny Mesia ny mpaminany Mika. Toy izao ny fahitany izany:

1- Ao Betlehema Efrata no hahaterahany:

Fomba fiasan’ Andriamanitra ny mifidy ny kely sy ny madinika ary ny heverin’ny olona ho tsinontsinona, mba hanatanterahany ny fikasany sy hanehoany ny heriny Tsitoha. Efrata no anarana niantsoana an’i Betlehema fahizany, toerana nahaterahan’i Davida mpanjaka. Ao amin’io tanana io koa no hamoahan’ny Tompo izay ho Mpanapaka amin’ny Anarany, dia Jesoa Kristy. Soritany mazava tsara eto ny maha Andriamanitra an’i Jesoa Kristy, amin’ny filazana fa efa hatry ny fahagola, izany hoe hatrizay hatrizay no efa nivoahany. Ambarany eto koa ny fahatongavany ho nofo, dia ny momba ny hahaterahany ka nilazany hoe: « Ambara-pihavin’ny fotoana hiterahan’izay anankiray hiteraka », izany hoe mandra-piavin’ny andro hahatera-dahy ny vehivavy iray.

2- Izy no hitsangana hitondra ny vahoaka

« Ary hitsangana Izy hiandry ny ondriny amin’ny herin’i Jehovah. Sy amin’ny voninahitry ny anaran’i Jehovah Andriamaniny »(and.3). Ny fahatongavan’ny Mesia no fotoana fanombohan’ny fahafahana ho an’ny vahoakan’ Andriamanitra. Ary amin’ny fiverenany fanindroany kosa no hiseho amin’ny fahafenoana ny fanjakany be voninahitra ka handringanany ny fahavalony rehetra. Izy no hitsangana ho mpanapaka sy hiandry ny ondriny amin’ny herin’Andriamanitra mba hananany fiadanana; ary haharitra mandrakizay ny fanapahany hatrany amin’ny faran’ny tany. Efa misantatra izany sahady izay mandray Azy.

Fanontaniana:

Inona no antsoina hoe: « fiadanana », ary amin’ny fomba ahoana no hananana izany?

Sampana Sekoly Alahady Foibe