Ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Mpanafaka

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 27 Jolay 2020

LIOKA 4.14-21

LIOKA 4.14-21
14 Ary Jesosy niverina tamin'ny herin'ny Fanahy nankany Galilia; dia niely tamin'ny tany rehetra manodidina ny lazany. 15 Ary Izy nampianatra teny amin'ny synagogan'ny olona ka nankalazain'izy rehetra. 16 Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny. 17 Dia natolotra Azy ny bokin'Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny voasoratra hoe: 18 Ny Fanahin'i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin'ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin'ny jamba, Hanafaka izay nampahorina, 19 Hitory ny taona ankasitrahan'i Jehovah (Isa. 61. 1, 2). 20 Ary rehefa nahorony ny boky ka naveriny tamin'ny mpanao raharaha, dia nipetraka Izy. Ary nandinika Azy ny mason'izay rehetra teo amin'ny synagoga. 21 Ary Jesosy niteny taminy hoe: Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.

Ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Mpanafaka

«Androany  no  efa tanteraka eto anatrehanareo  izany zavatra izany »  (and21)

Teny nataon’i Jesoa Kristy  izany , rehefa avy namaky ny voasoratra tao amin’ny bokin’ny Isaia  mpaminany  izay ahitana filazana  fa  « hanafaka  izay nampahoriana »  (and19) izy . Efa  voalaza  hatramin’ny ela ny fahatongavan’ i Jesoa Kristy  hitondra  fanafahana  sy famonjena  ho an’izao tontolo izao  , ary  tanteraka  izany eto . Araka izany  , tsy maintsy tanteraka  ny teny rehetra  nampitondrain’ Andriamanitra  ny mpanompony  na ho ela  na ho haingana . Koa minoa ny  Tenin’Andriamanitra  rehetra voalaza   ao amin’ny Soratra Masina  fa tsy  maintsy ho tanteraka izany  .

2-Mitondra fifaliana

« Ary  izy rehetra nankalaza  Azy  sady talanjona  noho ny teny fahasoavana naloaky ny vavany » (and22)

Fantatr’ireto olona ireto i Jesoa satria mpiara-monina taminy  ary nahatonga  azy ireo ho gaga  sy talanjona . Ankoatra izany  , ny teny fahasoavana nataon’i Jesoa teo  anatrehan’izy ireo  no niteraka  fifaliana  ho azy , indrindra  fa ny fahafantarany  an’i Jesoa  no Ilay  Mpamonjy sy Mpanafaka  , ka nahatonga  azy  nanome  voninahitra an’Andriamanitra  . Koa tsarovy   mandrakariva  fa miteraka fifaliana ho an’ny olona ny fahafantarany  an’i Jesoa Kristy  ho  Mpamonjy  sy Mpanafaka  azy . Ary  ny olona  mahafantatra  Azy  ho Mpamonjy  sy Mpanafaka  ihany  no mahay  mankalaza an’Andriamanitra .

Fanontaniana :

Hatraiza  ny  finoanao  ny  voalazan’ny Soratra Masina ? Ahoana  ny fihetsemponao  raha mandre fa i jesoa no Mpanafaka ?

Sampana  Sekoly Alahady  FOIBE FJKM