Ny fahaterahan’ny Mesia
Mofonaina anio: Alahady, faha 18 Desambra 2022
MIKA 5.1-5
MIKA 5.1-5
1 [Ny hahaterahan'ny Mesia, sy ny ho toetry ny fanjakany] Fa ianao, ry Betlehema Efrata, Izay kely tsy tokony ho isan'ny arivon'i Joda akory, Dia avy ao aminao no hivoahan'Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin'ny Isiraely; Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay. 2 Koa dia hatolony ireny, Ambara-pihavin'ny fotoana hiterahan'izay anankiray hiteraka; Ary izay sisa amin'ny rahalahiny dia hiverina mbamin'2* ny Zanak'Isiraely.[Na: ho any] 3 Ary hitsangana Izy hiandry ny ondriny amin'ny herin'i Jehovah. Sy amin'ny voninahitry ny anaran'i Jehovah Andriamaniny, Ka handry fahizay ireny, Fa izao dia ho lehibe hatrany amin'ny faran'ny tany Izy. 4 Ary Izy no ho fiadanana; Raha tonga eto amin'ny tanin-tsika ny Asyriana Ka miditra ao amin'ny tranobentsika, Dia hanangana mpiandry ondry fito sy mpanapaka valo hisakana azy isika. 5 Ary handany ny tany Asyria amin'ny sabatra Sy ny tanin'i Nimroda ao an-tanànany* ireo; Ary Izy hamonjy amin'ny Asyriana, Raha tonga amin'ny tanintsika sady manitsaka ato amin'ny fari-tanintsika ireny.[Heb. am-bavahadiny]Ny fahaterahan’ny Mesia
1-Ao Betlehema ,tanàna kely …
Betlehema dia isan’ny tanàna kely tao Joda .Tao no nahaterahan’I Davida mpanjaka (1Sam 16.1/17.2) . Ny mpaminany Mika dia naminany tao Joda tamin’ny andron’I Jotama sy Ahaza ary Hezekia.Ny fanompoantsampy ,ny fitsiriritana,ny fampahoriana ny malahelo ary fampianarana sandoka no nanjaka teo amin’ny Israely sy Joda. Anisan’ny mpaminany nijoro ho mpiaro ny vahoaka niharan’ny fampahoriana ny mpaminany Mika .Izy no anisan’ny mpaminany naneho mazava indrindra ao amin’ny Testamenta taloha ny fanantenana ny Mesia .Safidin’Andriamanitra samirery ny fahaterahan’Ilay Mpamonjy ao amin’ity tanàna kely “izay kely tsy tokony ho isan’ny Joda akory”ity. Fahasoavana ho antsika izany satria na dia kely sy fanao tsinontsinona aza isika dia nisafidy antsika ho fitondrana ny Anarany Izy.
2-Izy no hamonjy …(and5)
Ny vanim-potoana naminanian’I Mika dia tena niandrandran ‘ny vahoakan’Andriamanitra ny famonjena ary fantatry ny Jiosy mazava tsara ny hevitr’izany fahatongavan’ny Mesia izany ,saingy mandra-pahatongan’ny fotoana voatendry dia toa avelan’Andriamanitra hiharan’ny fampahorian’ny fahavalo aloha ny vahoakany(and2).Rehefa tonga ny andro voatendry dia hifarana ny fijalian’ny olon’Andriamanitra .”Ary Izy hamonjy amin’ny Asyriana .Raha tonga amin’ny tanintsika sady manitsaka ato amin’ny faritanintsika ireny “ (and4,5). Amin’ny fotoana handraisantsika an’I Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy,hanapaka ny fiainantsika no hitsaharan’ny fahoriana ka hananantsika fiadanana.”Ary izy no fiadanana” (and4a).
Fanontaniana:
Inona no zavatra antenainao amin’ny fankalazana ny andro Krismasy?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM