Ny fahaterahan’ny Mesia

Mofonaina anio: Alarobia, faha 28 Desambra 2022

ISAIA 9.1-6

ISAIA 9.1-6
1 Ny olona izay mandeha amin'ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin'ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan'ny mazava. 2 Hamaroinao ity firenena ity, Ary ampitomboinao ny hafaliany; Mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin'ny fararano, ary tahaka ny fifalin'ny olona, raha mizara babo. 3 Fa ny bao fitondran-entany sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny; Izay tsorakazon'ny mpampiasa azy, Dia tapahinao tahaka ny tamin'ny andro namelezana ny Midiana. 4 Fa ny kiraron'izay mitrevatreva fandeha eo amin'ny fihorakorahan'ny ady sy ny fitafiana mihosindra dia samy hodoroana, eny, ho kitay hatohoka amin'ny afo izany. 5 Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana.[Na: mpanolo-tsaina mahagaga] 6 Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin'ny rariny sy ny hitsiny hatramin'izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hahatanteraka izany.

Ny fahaterahan’ny Mesia

 Hanova ny fiainan’ny vahoakany  ny fahatongavan’ny Mesia

 1-Fiposahan’ny  fahazavana (and1-4)

 Raha niaina tao  anatin’ny aizina izy ireo teo  aloha dia hahita  mazava lehibe.Niaina tao  anatin’ny  aizim-pahotana  sy ny famoizam-po ,izay aloky ny fahafatesana ny Israely.Nampahorian’ny fahavalo ny Israely ,nampilanjaina zioga  fitondrana entana tahaka ny biby,nokapohina tamin’ny karavasy (and3,4).Maizina tanteraka ny androny .Toa nanafina ny tavany tamin’izy ireo ny Tompo ,ka tena nahatsiaro ho  toy ny efa maty izy ireo. Fa ankehitriny kosa, ny mpaminany Isaia  dia mitondra hazavana mamirapiratra  dia ny teny  mamelona fanantenana ,mitondra fifaliana,milaza fanafahana.Tsy misy ezaka avy tamin’ireo  olona nitoetra tao amin’ny maizina  ny nahatonga ny mazava , fa tena asan’Andriamanitra  samirery izany .Ny   fahaterahan’I Jesoa Kristy  no  manafaka antsika amin’ny aizim-pahotana.

2-Fanjakam-piadanana (and 5-6)

Fa zaza no teraka ho antsika .Zazalahy  no omena antsika “… Fanomezana sarobidy indrindra avy amin’ny Tompo  ho an’ny mino  ny fahatongavan’ny Mesia .Amin’ny alalany  no  andravan’ny Tompo ny fahavalo  sy hanatanterahany ny famonjena .Misalotra ny fitafiana sy ny marika  maha-mpanapaka Azy Izy(and5b) .Ny asa tanterahany  sy ny  toetra hitondrany  ny fanjakany no hanomezan’ny olona Azy ny Anarany araka izao : Mpanolotsaina mahagaga, Andriamanitra mahery. Jesoa Kristy dia tena Zanak’Andriamanitra ,Rain’ny mandrakizay,mizara zava-tsoa mandrakariva ho an’ny zanany  .Andrian’ny fiadanana mpanapaky ny fiadanana .Ny fanjakan’ny Mesia no fanjakana mandrakizay  anjakan’ny  fiadanana sy ny fahamarinana (and6) .

Fanontaniana:

Nanova ny fiainanao ve ny fankalazanao ny Krismasy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM