Ny fahaterahan’I Jesoa
Mofonaina anio: Alahady, faha 25 Desambra 2022
LIOKA 1.26-33
LIOKA 1.26-33
26 Ary tamin'ny fahenim-bolana dia nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe Nazareta, 27 ho any amin'ny virijina anankiray, izay voafofo ho vadin'ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin'ny taranak'i Davida; ary ny anaran'ny virijina dia Maria. 28 Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao*.[*Ampio hoe: voatahy samy vehivavy ianao] 29 Ary taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra izay tokony ho hevitr'izany fiarahabana izany. 30 Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin'Andriamanitra ianao. 31 Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy. 32 Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida rainy; 33 ary hanjaka amin'ny taranak'i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.Ny fahaterahan’I Jesoa
1-Fahasoavana
« Arahaba r’Ilay nohasoavina , ny Tompo momba anao”
Asehon’I Lioka mpanoratra ny Filazantsarany ny fisian’ny zavatra roa izay samy mahagaga amin’izao fahaterahan’I Jesoa izao . Ny voalohany amin’izany dia ny amin’I Elizabeta vehivavy momba sady efa antitra kanefa dia hanana anaka ; ny faharoa dia Maria , vehivavy virjiny , kanefa mitoe-jaza. Asehon’ireo zavatra roa ireo fa raha nanomana ny fahaterahan’I Kristy Andriamanitra dia te-haneho amintsika fa tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainy atao. Ary ny Anarany rahateo dia nantsoin’ny Mpaminany Isaia hoe: “Mahagaga” (Isaia 9.5).Tsy hitantsika eto izay ambaran’ny mpanoratra momba an’I Maria ankoatra ny hoe: virjiny ,fofombadin’I Josefa monina any Nazareta.Tsy miankina amin’izay momba ny olona ny safidin’Andriamanitra ny hahaterahan’ny zanany fa azy samirery.Tsy nanam-po ny hahatongavan’izao toe-javatra izao I Maria (and29)
2-Fiandohan’ny fanjakan’Andriamanitra
“Ary hanjaka amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay Izy ,ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana” (and33) .Nahazo toky I Maria rehefa nilazan’ny anjely taminy fa efa nahita fitia tamin’Andriamanitra izy (and30) ; Izany hoe: tombotsoa avy amin’Andriamanitra ny fanekena ho teraka ao aminy .Ary ny zaza izay hateraka dia “zanaky ny avo indrindra” ho mpanjaka mandrakizay .Tsy tokony ho fahazarana fotsiny ho an’ny fiangonana ny fankalazana ny krismasy , fa io no fotoana mety indrindra hanekena an’I Jesoa ho mpanjaka mandrakizay ,hanapaka ao am-po amin’ny androm-piainantsika rehetra .Ny fanekentsika izany no fiandohan’ny fanjakan’Andriamanitra .
Fanontaniana :
Inona ny fahasoavana horaisinao amin’ity anio ity ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM