Ny fahatanterahan’ny andron’i Jehovah

Mofonaina anio: Talata, faha 21 Novambra 2023

Joela 1.15-20

Joela 1.15-20
15 Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin'ny Tsitoha no fihaviny. 16 Moa tsy efa tapaka teo imasontsika va ny hanina, eny, ny fifaliana sy ny faharavoravoana tsy ho ao an-tranon'Andriamanitsika? 17 Matimaso ao ambanin'ny baingan-tany ny vary nafafy, foana ny sompitra, mirodana ny trano fitehirizam-bary; Fa nalazo ny vary. 18 Indrisy, ny fitoreon'ny biby! Very hevitra ny omby andiany, satria tsy misy ahitra ho azy; Eny, na dia ny andian'ny ondry aman'osy aza dia mijaly noho ny heloka. 19 Jehovah ô, Hianao no itarainako, fa efa levon'ny afo ny kijana any an-efitra, ary nisy lelafo efa nandoro ny hazo rehetra any an-tsaha. 20 Na dia ny biby any an-tsaha aza dia mihanahana miandrandra Anao, satria ritra ny renirano, ary efa levon'ny afo ny kijana any an-efitra.


Ny fahatanterahan’ny andron’i Jehovah

1- Fitotonganan’ny vahoaka (and 16a; 20)
Hita soritra eo amin’ny fiainan’ny vahoaka fa efa tonga ny andron’i Jehovah. Mitotongana ny andavan’androm-piainan’ ny vahoaka, voalaza fa mikorontana ny ara-toe-karena. Ry havana, Andriamanitra no mpamorona antsika, ary ny hatsembohan’ny tava no ihinanana. Eto anefa, na te -ho tsemboka aza ny tava dia tsy mahita hanina satria tsy misy ny asa izay anisan’ ny fitahiana avy amin’ Andriamanitra. Mampahery antsika ny Tenin’i Jesoa hoe: «Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany dia hanampy anareo izany rehetra izany» (Mat.6.33). Isika olombelona aza mahalala manome sakafo ny zanantsika, mainka fa Izy Andriamanitra, aoka hifikitra mafy Aminy isika!
2- Fitotonganan’ny fiainana ara-panahy (and 16b)

Ny fanahy no maha -olona, rehefa tonga ny andron’i Jehovah hanafay ny olony, dia mitotongana koa ny fiainana ara-panahiny ka tsy mahita fifaliana intsony amin’izany izy. Ry havana, tsy maintsy hisy olana ny fiainantsika ara-panahy rehefa malahelo Andriamanitra ka manjary tsy mahita fifaliana intsony amin’ny fanompoana Azy. Ny nataon’i Joela mpaminany teto dia nitaraina tamin’i Jehovah Andriamanitra (and 19). Mampahery eto ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Jeremia 33. 3 «Antsoy Aho dia hovaliako ianao». Ny olona tsy miantoraka amin’ Andriamanitra
no voa mafy indrindra: mitotongana ný fiainany ara-panahy.Tsarovy, fa Andriamanitra, Ilay mahay ny zavatra rehetra mihitsy no tena ilazana ny zava-manjo.

Fanontaniana

Rehefa tsy mety ny fiainana, ekenao ve fa ny fiverenana ao amin ‘Andriamanitra ihany no vahaolana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM