Ny fahatahorana an’i Jehovah dia :

Mofonaina anio: Talata, faha 22 Septambra 2020

OHABOLANA 15.29-33

OHABOLANA 15.29-33
29 Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; Fa ny fivavaky ny marina no henoiny. 30 Ny tarehy miramirana* mahafaly ny fo; Ary ny filazan-tsoa mamelombelona ny taolana.[Heb. Ny fahazavan'ny maso] 31 Ny sofina izay mihaino anatra mahavelona Dia miara-mitoetra amin'ny hendry. 32 Izay mandà anatra dia manary tena; Fa izay mihaino ny fananarana no mahazo fahalalana. 33 Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fananarana mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana.

Ny fahatahorana an’i Jehovah dia :

1-Fananarana mampahendry

Ny teny hoe: fananarana dia azo adika hoe : fampahatsiahivana ny fitsipi-pifehezana , fitondrana fanitsiana, fampitandremana ny loza mitatao ary famaizana noho ny tsy fanajana ny fifanekena . Ankoatry ny fananarana azo avy amin’ny ray aman-dreny sy ireo zokiolona dia ambaran’ny Soratra Masina eto fa ny fahatahorana an’i Jehovah dia fananarana mampahendry . Araka izany , ny olona matahotra an’ Andriamanitra dia mahalala ny tokony hataony ary afaka mandini-tena sy manapa-kevitra samirery hibebaka eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina raha vao mahatsiaro fa mety mampalahelo ny Tompo na nanafitohina ny hafa izay nataony .

2Fanetretena mialohan’ ny fisandratana

Manana ny ho aviny ny olona matahotra an’Andriamanitra . Toy ireo mpanompon’Andriamanitra maro izay niorina tsara tamin’ny fanompoana. Isan’izany i Josefa zanak’i Jakoba izay nanohitra ny fakampanahy nandalo taminy .Tsy nampiova azy ny fitsapana nianjady taminy fa natrehany am-pinoana .Tsy navelan’Andriamanitra izy raha tsy nisandratra , fa ny zavatra rehetra miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra . Manamafy izany ny Tenin’i Jesoa hoe : « Izay manetry tena no asandratra« .

Fanontaniana:

Nahoana no tsy miandry olona hananatra azy ny mpino dia efa afaka manapa-kevitra hibebaka ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM