Ny fahatahorana an’i Jehovah
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 16 Aogositra 2021
SALAMO 34.11-22
SALAMO 34.11-22
11 Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an'i Jehovah no hampianariko anareo. 12 Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa, 13 Dia arovy ny lelanao amin'ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka. 14 Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany. 15 Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. 16 Ny tavan'i Jehovah tezitra amin'ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin'ny tany ny fahatsiarovana azy. 17 Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra. 18 Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy. 19 Maro ny fahorian'ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin'izany rehetra izany. 20 Miaro ny taolany rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza. 21 Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina. 22 Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.Ny fahatahorana an’i Jehovah
Ampahafantarin’ny mpanao Salamo isika mpamaky fa ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena . Io koa no fanalahidin’ny fahasambarana eo amin’ny fiainana , satria voasoratra hoe : » ny fahatahorana an’i Jehovah no hampianariko anareo » , satria na iza na iza ianao maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa (Sal 11.12) . Ireto zava-droa loha ireto no hiankinanan amin’ny fahatahorana an’i Jehovah .
1-Amin’ny alalan’ny teny
Araka ny tenin’ny mpanao Salamo eto , hoy indrindra mantsy izy « dia arovy ny lelanao amin’ny ratsy sy ny molotrao mba tsy hiteny fitaka » . Izany hoe: ialana ny fitenenan-dratsy sy ny lainga (34.13-14/Kak 1.26/3.5-10). Ny filazana ny marina dia mba handresen’ny tsara sy hiasana am-pahamarinana.
2-Amin’ny alalan’ny asa
Isika dia nantsoina hanao asan’Andriamanitra , dimbin’ny Apostoly . Io asa io no mampiavaka ny ratsy fanahy sy ny olo-marina, izay matahotra an’i Jehovah Andriamanitra dia mikarakara ny olony . Fa hoy ny mpanao Salamo eto : Ny mason’i Jehovah dia mitsinjo ny marina , ary ny sofiny mihaino ny fitarainany » (34.5) . Izay miorina tokoa amin’ny asa tsara dia tsy avelan’Andriamanitra ho irery . fa hoy i Jesoa : « Indro Izaho momba anareo mandrakariva » .Raha tena mpanompon’Andriamanitra miorina marina amin’ny asa tsara ianao . Asehoy eo amin’ny asanao ny fahatsaran’Ilay miantso anao .
Fanontaniana :
Mba niasa tamin’ny tahotra ve ianao tamin’ny fanatanterahana ny asa nekenao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM