NY FAHASAMBARAN’NY OLON’ANDRIAMANITRA
Mofonaina anio: Alahady, faha 20 Novambra 2022
DEOTERONOMIA 33.26-29
DEOTERONOMIA 33.26-29
26 Ry Jesorona, tsy misy tahaka an'Andriamanitra, Izay mitaingina ny lanitra hamonjy anao, Sady mandia ny rahona amin'ny voninahiny. 27 Ny Andriamanitra hatrizay hatrizay no fonenana, Ary ny sandry mandrakizay no eto ambany. Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy Ka manao hoe: Aringano. 28 Ary mandry fahizay Isiraely, Mitokana irery ny loharanon'i Jakoba Ao amin'ny tany be vary sy ranom-boaloboka, Eny, mampilatsaka ando ny lanitra eo amboniny. 29 Sambatra ianao, ry Isiraely; Iza no tahaka anao, ry olona voavonjin'i Jehovah, Ampingan'ny famonjena anao sy sabatry ny voninahitrao! Hikoy anao ny fahavalonao. Ary ianao handia ny fitoerany avo.NY FAHASAMBARAN’NY OLON’ANDRIAMANITRA
1-Dia noho ny fananany Andriamanitra lehibe izay tsy nisy toa Azy (and 26-27)
Tononkalo nataon’I Mosesy momba ny Zanak’Israely ity ary eto dia milaza ny fahasambaran’izy ireo izay manana Andriamanitra miavaka amin’ny fahatsarany. Ao amin’ny Soratra masina dia ny Andriamaniny no mamaritra ny herin’ny firenena, ka resin’ny andriamanitra mifanandrina aminy ny vahoaka .Tsy ho resy mihitsy anefa ireto Israely, satria tsy misy maharesy an’Andriamanitra,fa raha mahafoy na miala amin’Andriamanitra kosa izy ireo dia resy avy hatrany .
2-Dia noho ny fananany tany miavaka (and28)
Ny tanin’izy ireo koa dia miavaka aoka izany,satria tany be sakafo mahasoa ,dia tany mahavokatra varimbazaha sy voaloboka , satria andon’ny lanitra no mampitsiry ny fambolena ao .Anisan’ izay maneho ny herin’ny firenena iray ara-toekarena ny tanjany ara-pamokarana . Izany koa dia manambara ny mahasambatra azy ireo , satria lova tsara tsy msy toa azy eto ambonin’ny tany ny fananany io tany io .Voalaza tokoa aza fa manana harena an-kibon’ny tany maro be tokoa io Palestina io .Tena sambatra ny vahoakan’Andriamanitra .
3-Dia noho ny fananany fiarovana azo antoka (and29)
Araka izany dia toy ny ampinga aminy I Jehovah Andriamanitra raha misy ady atrehina .Omeny fahafahana hanetry ny avonavon’ny fahavalo koa izy reo . Feno tanteraka izay fepetra ilazana fa sambatra tokoa ireo vahoaka ireo , satria na ara-panahy na ara-toekarena na ara-pandriampahalemana dia feno .Tena sambatra tokoa !
Fanontaniana:
Mahatsiaro sambatra tokoa ve ianao manana io Andriamnitry ny Israely izay Andriamanintsika koa?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM