Ny fahambonina sy fiandrianan’i Kristy

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 18 Janoary 2025

Sal112,1-10 / Hira 194.1,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / 444.1.2

Kolosiana 1, 15-20
15 Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao; 16 fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy et? ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana*, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany; [* Gr. seza fiandrianana] 17 ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra. 18 Ary Izy no Lohan'ny tena, dia ny fiangonana*; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin'ny maty, mba ho Lohany amin'ny zavatra rehetra Izy. [* Gr. eklesia] 19 Fa sitraky ny Ray ho ao aminy no hitoeran'ny fahafenoana rehetra, 20 sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo amin'ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana - eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny et? ambonin'ny tany, na ny any an-danitra.

Mazána tokoa rehefa tsy hita maso ny olona iray na ny zavatra iray dia toa maivan-danja aminy manolonana ny zavatra hita maso. Toa izany koa ny andriamanitra tompoina ary izany no isan’izay nananganan’ny zanak’Israely ny ombilahy kely volamena hotompoina tany an’efitra. Nohararaotin’ireo mpampianatra sandoka izany teo amin’ny Hebreo ka nentiny nanambaniana an’i Jesoa Kristy. Lehibe sady ambony indrindra tokoa anefa Izy satria Izy ilay endrik’ Andriamanitra tsy hita maso ary « izay nahita Azy dia nahita ny Ray » (Jao14. 8b) ary izay nandray Azy dia nandray ny Ray. Izy no lahimatoa talohan’ny zavatra rehatra: Izy no mpandova voalohany ny hery sy ny fahefan’Andriamanitra ary izany no maha ambony indrindra Azy.

« Izy no nahariana ny zavatra rehetra ary natao ho Azy izany » Raha tsy nisy i Jesoa Kristy dia tsy nisy izao rehetra izao. Jesoa Kristy mantsy ilay « Teny » nahariana izao tontolo izao. Jesoa Kristy ilay « Teny tonga nofo » nanaovana izao rehetra izao mba hanjakany sy hisehoan’ny voninahiny. Andriamanitra telo izay iray dia toko telo mahamasa-nahandro ary ny fifamenoany no nahariana izao rehetra izao. « Andeha isika hamorona olona tahaka ny endrintsika » (Gen 1:26a). Tena Andriamanitra tokoa Izy. Ny fanolora-tenany teo amin’ny hazo fijaliana no nampihavanana ny olona amin’Andriamanitra sy ny olona samy olona. Izy no fihavanantsika. Ny olona manao an’i Jesoa ho ambony noho ny zavatra rehetra dia tia fihavanana.

Tena ambony indrindra tokoa ve i Kristy aminao?