Ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alahady, faha 13 Febroary 2022
ASAN'NY APOSTOLY 27.21-26
ASAN'NY APOSTOLY 27.21-26
21 Ary rehefa tsy nihinan-kanina ela izy ireo, Paoly dia nitsangana teo afovoany ka nanao hoe: Ry tompokolahy ô, tsara raha ho nihaino ahy ianareo ka tsy niala tany Kreta, mba tsy ho nahitana izao fahasimbana sy fatiantoka izao. 22 Ary ankehitriny mananatra anareo aho mba hatoky; fa tsy hisy ho faty ianareo, fa ny sambo ihany no ho very. 23 Fa nisy anjelin'Andriamanitra, Izay Tompoko sady tompoiko, nitsangana teo anilako halina 24 ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Paoly; fa tsy maintsy hitsangana eo anatrehan'i Kaisara ianao; ary, indro, efa nomen'Andriamanitra anao ny olona rehetra izay miaraka aminao. 25 Koa matokia, ry tompokolahy ô, fa mino an'Andriamanitra aho fa ho tonga araka ny voalazany tamiko izany. 26 Nefa tsy maintsy fefika ihany eo amin'ny nosy anankiray isika.Ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra
1-Ampaherezina ny hafa
Niondrana an-tsambo ho any Roma i Paoly Apostoly . Niseho ny loza teny an-dranomasina . Notandomin-doza ny mpandeha rehetra.Nitsangana nampahery ireo olona tafara-dia taminy i Paoly Apostoly .Nambarany ny Tenin’Andriamanitra voarainy fa na dia eo aza ny loza mihatra , ny fahavoazana samihafa dia tsy hiharan’ny fahafatesana ny mpandeha fa ny sambo ihany no ho very (and22).Nampahereziny taminy ny Tenin’ny Tompo voarainy ireto mpiara-dia taminy : « Aza matahotra ,ry Paoly , fa tsy maintsy hitsangana eo anatrehan’i Kaisara ianao » (and24/Asa 23.11) .Aza tehirizina ho anao irery ny Tenin’Andriamanitra voarainao , fa zarao ho fampaherezana ny manodidina anao .
2-Anehoana ny finoanao amin’ny hafa
Mafy ny nanjo , kanefa noho ny Tenin’Andriamanitra noraisin’i Paoly Apostoly dia tsy niova ny finoany an’i Jesoa Kristy .Tao anatin’ny fotoan-tsarotra no nasehony tamin’ireto olona tafara-dia taminy ireto ny maha- Izy Azy Ilay Andriamanitra ninoany sy tompoiny .Mazava tsara ny teniny nambarany eto : Andriamanitra no Tompo sady tompoiny (and23). Andriamanitra marina mandrakariva Izy , ka izay lazainy tsy maintsy tanterahiny ho an’ny mino Azy sy manompo Azy (and25).Ny olon’ny finoana dia sahy maneho izany mandrakariva Ilay inoany , sahy mijoro ho vavolombelona. Mitana ny Teniny mandrakariva ny Tompo .
Fanontaniana :
Inona no tokony hataonao raha mandalo fotoan-sarotra ny fiainanao ? Hazavao.
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM